airtel

Toekarena

21-mai-2025

Mbola marefo ny indostria eto

Hitondra tan-tsoroka ny ONUDI

Sample post image

Niroso tamin’ny fifanaovana sonia fifanarahana fototra momba ny fiaraha-miasa

21-mai-2025

i Madagasikara sy ny Fikambanana Iraisam-pirenena misahana ny Fampandrosoana ny Indostria (ONUDI) omaly talata 20 mey 2025. Ity fifanarahana ity no mametraka fototra ara-dalàna ho an’ny asa sy tetikasan’ny ONUDI eto amin’ny firenena, raha ny fanamarihana. Tanjona ny hanamafisana sy hanatsarana ny sehatry ny indostria, amin’ny fomba maharitra sy manam-paharetana, ary ahafahan’ny sokajin’olona rehetra mandray anjara. Tafiditra ao anatin’izany ny fananganana faritra manokana ho an’ny fampiasam-bola manerana ny faritra, ny fametrahana fotodrafitrasa kely momba ny angovo ho an’ireo Orinasa Madinika sy Antonony (PMU/PME), ary ny fanohanana ny fanavaozana sy ny fanatsarana ny rojom-panodinana entana ara-indostria. Manamarika dingana lehibe ho an’ny lalana mankany amin’ny fampandrosoana maharitra eto Madagasikara ity fifanarahana ity, hoy ny nambaran’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny. Manamafy ny fiaraha-miasa amin’ny ONUDI izany, sady mifanaraka amin’ny tanjona napetraky ny Firenena Mikambana amin’ny alalan’ny Tanjona Fampandrosoana Maharitra (ODD). Tsara ny mampahatsiahy fa efa napetraky ny ONUDI ho firenena filamatra tamin’ny fampiroboroboana ny indostria isika taty amin’ny 2009, fa nisy ihany koa ilay resaka amboara nampiady hevitra ny taona 2022 izay nanolorana ny maha tompondakan’ny indostria an’i Andry Rajoelina kanefa na ny angovo hanodidina ny indostria aza tena nivadika zava-doza indrindra fa nanomboka tamin’ny tetezamita,…
Toky R

 

Dans la même rubrique