airtel

Toekarena

27-mai-2022

Toekarena

MCB Madagascar feno 30 taona “Tanjona lovain-jafy, miara-mivoatra amin’ny mpanjifa”

Sample post image

Feno 30 taona tamin’ity taona ity ny nijoroan’ny Banky MCB Madagascar, izay rantsan’ny MCB (Maritius Commercial Bank) manana ny foibeny atsy amin’ny Nosy Maorisy.

27-mai-2022

Tetsy Antsahavola ny foibeny hatramin’izay, saingy efa nifindra eny amin’ny Novotel Ivandry izany ankehitriny, ary teny an-toerana no nanatanterahana ny lanonana ofisialy nanamarihana izay faha-30 taonany izay ny takarivan’ny alarobia 25 mey lasa teo. Iray amin’ireo Banky ara-barotra miasa eto, mitana ny laharana faha-5 ny MCB Madagascar, manana rantsana na “agence” miisa 14, mampiasa olona 200. Ny 6% amin’ny mpisehatra amin’ny banky eto no mpanjifany izay miisa 16 000 eo, ary manana tanjona ny hampiakatra izany tsikelikely hatrany amin’ny 10%, araka ny fanazavan’Atoa Haja Rasolonjatovo Tompon’andraikitra eo anivon’ity Banky ity. “Matoa izahay 30 taona mbola eto, ary matoa ihany koa izahay nanokatra io foibenay vaovao io, dia mahatoky an’ilay firenena amin’ny fahafaha-mandraharaha ara-banky ny Vondrona MCB… Firifiry ny krizy nandalovana teto fa nitraka foana isika raha ny lafiny ara-toekarena no jerena”, hoy izy. Maneho kosa ity Banky ity fa tena miditra lalina amin’ilay hoe : fampandrosoana lovain-jafy. Miaraka mivoatra amin’ny mpanjifa fa tsy faly fotsiny amin’ny fampindramana sy fahazoana tombony dia vita eo, mijery hatrany ny fomba hitantanana maharitra ny mpanjifa. Mivelatra amin’ny sehatra samihafa (secteurs d’activités) amin’ny fampindramam-bola ataony, ny lavitr’ezaka miaraka amin’ny mpanjifa no tena zava-dehibe, ka arakaraka ny tetikasan’ny mpanjifa no hijerena azy, ny fahefan’ny olona hamerina ny vola no tena jeren’ny MCB, fa tsy dia miditra loatra amin’ny resaka antoka. Arakaraky ny dosie ny tahan’ny zana-bola arakaraka ny sokajy hoe: “professionnel” na “corporate”, fa ho an’ny olon-tsotra na “particulier” dia 12%, araka ny fanazavan’Atoa Haja Rasolonjatovo hatrany.
TSY AHIANA HIKATONA
13 miliara dolara eo ny tomban’ny vola miodina na “bilan” ho an’ny MCB. 1838 no niforona ity Banky ara-barotra ity, efa 200 taona latsaka eo, ary izy no Banky voalohany any Maurice, voalohany aty amin’ny Faritry ny Ranomasimbe Indianina sy aty Antsinanan’i Afrika, ka tsy atahorana mihitsy izy hoe: rahampitso dia sanatria hikatona. Ho an’ny eto Madagasikara raha sanatria misy olana goavana, dia ao an-damosiny foana ny MCB Maurice. Toy ny fandraharahana any amin’ny firenena rehetra dia mailo sy mitandrina hatrany anefa, saingy hatreto raha resaka banky eto Madagasikara dia tsy dia misy loatra hoe nikatona, fa ny miditra aza no misy izany hoe: voafehy ny “risque” hatreto, raha ny fahitan’ny MCB azy.
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Nahazo ny anjarany tamin’ny milina ODOF ihany koa ny Kaominina Ambohimangakely,

Card image cap