airtel

Toekarena

15-mai-2024

Miary Rasolofoarijaona

«Mila tena malina amin’io 50 Ariary volamena io»

Sample post image

Mila fantatra mazava ary "à jours" na mivoatra isan’andro ny isan’io vola volamena 50 Ariary

15-mai-2024

avoakan'ny Banky foibe io mba ho tena «comptabilisé» na voaisa araka ny tokony ho izy ilay izy, hoy ny mpanao gazety, mpamakafaka raharaham-pirenena, Miary Rasolofoarijaona. Sao mantsy io no lasa endriky ny famoahana ny volamena eto amintsika, hoy izy? Manan-kery maneran-tany izy ity. Ny mpanao hosoka eo foana raha te hamoaka volamena an-tsokosoko any ivelany. Nisy ny 20 ariary vita tao Ambatolampy. Efa mivoatra ny tekinolojia ankehitriny. Ahoana no tsy hahavitana lasitra anaovana 50 Ariary volamena? Tokony hivoaka isan'andro ao amin'ny tranokala na «site Banque Centrale de Madagascar» ny isan'ity volamena ity mivezivezy. Sao mantsy efa betsaka noho ny navoakan'ny Banky ny mivezivezy. Mila mailo ary mila tena malina amin’io 50 Ariary volamena io, hoy hatrany i Miary Rasolofoarijaona.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique