airtel

Toekarena

13-mai-2025

Mihamafy ny krizy ara-toekarena

Nitotongana 11,9% ny fanondranan'i Madagasikara

Sample post image

Nihena 11,9 % ny fanondranana nataon'i Madagasikara tamin’ny telovolana voalohany

13-mai-2025

amin’ny taona 2025, araka ny tatitra ara-toekarena navoakan'ny Banky Foiben’i Madagasikara (BFM). Ny anton’ity fihenana ity dia mifandray indrindra amin’ny fihenan’ny fanondranana lavanila, jirofo, ary ireo vokatra avy amin’ny sehatra zone franche. Ho an'ny fidiram-bola avy amin’ny lavanila, nihena 45,3 % izany noho ny fihenan’ny habetsahan’ny fanondranana (−44,3 %) sy ny fidinan’ny vidiny (−1,8 %). Nampihena ny fangatahana filàna ara-bokatra vaovao ny fisian’ny tahiry lavanila manodidina ny 1 000 taonina any ivelany. Ny fanondranana jirofo kosa nihena 47,9 %, noho ny fihenan’ny vokatra (−50 %), na dia niakatra aza ny vidiny (+4,1 %). Noho ny toetr’andro no voalaza fa tena niteraka io fihenana io. Ny fanondranana avy amin’ny orinasa afaka haba na zone franche dia nihena 2,5 %, noho ny fihenan’ny famokarana (−5,2 %), na dia niakatra aza ny vidiny (+2,9 %). Io fihenana io dia mifandray amin’ny fitotongan’ny tinady eran-tany. Nomarihina kosa fa nitombo ny fanondranana nikela (+3,7 %) sy kobalta (+27,6 %), vokatry ny fitomboan’ny vokatra (+9,4 % sy +60,2 %), na dia nihena aza ny vidiny (−5,2 % sy −20,4 %). Mitohy miantraika amin’ny tsena ny fisian’ny famokarana be loatra maneran-tany. Na izany aza, ny paikadin’ny orinasa mpitrandraka dia ny manonitra izany amin’ny alalan’ny fitomboan’ny famokarana. Mila fandrindrana sy fanarenana ny sehatra fanondranana ataon'i Madagasikara manoloana ny fihenan'ny vokatra toy ny lavanila sy ny jirofo, izay voa mafy tamin’ny fitotongan'ny fangatahana sy ny toetr'andro, kanefa sehatra mampiasa olona an'aliny satria ny lavanila sy orinasa afak’haba ohatra dia mampiasa olona mivantana na ankolaka hatrany amin’ny 12000. Amin’ny lafiny iray, mbola misy fanantenana amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany, ka ilaina ny fanamafisana ny famokarana sy ny fitantanana maharitra sy mahomby, mba te hisy tamberiny ho an'ny Firenena. Ilaina ihany koa amin'ny lafiny fanondranana ny mivelatra bebe kokoa sy mifehy ireo sehatra hafa toy ny jono, famokarana sy fanodinana ara-pambolena,...
Toky R
 

Dans la même rubrique

20-juin-2025

Nankatoavin’ny Banky Iraisam-pirenena ny 18 jona 2025 teo ny famatsiam-bola IDA

Card image cap