airtel

Toekarena

19-janv-2026

Minisiteran’ny Varotra sy ny

Fanjifana Sarotra saingy maro ny

Sample post image

dingana sy vokatra azo tao anatin’ny 2 volana

19-janv-2026

Anisan’ny Minisitera stratejika amin’ny fiainam-bahoaka sy ny tontolo ara-toekarena ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana, indrindra eo anatrehan’ny lamina ara-toekarena ao anatin’ny « libéralisme économique », ny pitsopitsony hafa toy ny sandam-bola, làlana,... “Tsy ho mpitondra mpanome baiko ny tenako fa ho mpitari-dalana ho amin’ny fanavaozana.”, hoy ny Minisitra Haingotiana ANDRIAMADISON, raha nanomboka nandray ny andraikitra ny 29 Oktobra 2025. Nimasoan’ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana izany, na tamin’ny fandrindrana ny fanondranana mankany ivelany, na tamin’ny famatsiana ny mponina amin’ireo entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro. Nidina teny ifotony ny Minisitra, nitondra vahaolana ary nandrindra ireo sehatra samihafa sahanin’ny Minisiterany. Tao anatin’ny roa volana monja dia efa maro ny vokatra azo sy ny dingana natomboka. Niakatra ny vidin’ny lavanila taorian’ny atrikasa fifampidinihana tany Sambava ny 20-21 Novambra 2025, niarahana tamin’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika sy ny Primatiora. Nitombo ho 206 ireo orinasa nahazo “agrément” hanondrana lavanila mankany ivelany, raha 134 kosa ho an’ny jirofo. Nofoanana ny fandoavana 4 dôlara isa-kilao amin’ny lavanila aondrana, ary nosokafana ho amin’ny fanondranana lavanila ny seranantsambo ao Vohémar, Nosy Be, Antsiranana ary Mahajanga. Namoaka fanambarana ny Komity teknika momba ny lavanila, izay ahitana ny Fiadidiana ny Repoblika, ny Primatiora ary Minisitera maromaro, fa atao malalaka ny vidin’ny lavanila fa apetraka ny « Prix de référence ». Ho an’ny letisia, nohamafisina ny fiaraha-miasa amin’ireo mpandraharana mpanondrana sy ny mpamboly, mba hisian’ny fiaraha-miombon’antoka hampandrosoana ny toe-karem-pirenena. Nialohavan’ny dinik’asa teo amin’ny Minisitra sy ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika, niaraka tamin’ny Vondron’ireo mpanondrana letisia (GEL), ny fisokafan’ny taom-panondranana letisia. Raha ny lafiny famatsiana indray, marin-toerana amin’ny ankapobeny ny vidin’ireo entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro (PPN) ary nahitana fidinany izany any amin’ny Faritra maromaro. Nataon’ny Minisitera ho laharam-pahamehana ny fidinana teny an-tsena nijery akaiky ny famatsiana ny mponina. Namaly fanontanian’ireo Solombavambahoaka teny Tsimbazaza ny Minisitra fa ny vidin’entana eny an-tsena dia faritan’ny Lalànan’ny Tolotra sy Tinady. Na izany aza, nisy toromarika nomena ny mpiara-miasa aminy hisian’ny vidin’entana ara-drariny (prix équitable). Tafiditra amin’izany ny fijoroan’ireo Talem-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana (DRCC) ho mpanelanelana amin’ny fifampiraharahana ara-barotra eo amin’ny mpanangom-bokatra sy ny tantsaha mpamokatra, ny fiaraha-miasa amin’ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria (CCI) hijerena lalam-barotra, ny fanokafana tsena iarahana amin’ny Kaominina, ary ny fanamafisana ny fanaraha-maso ny fitaovam-pandanjana sy fandrefesana hiadiana amin’ny hala-danja,...
FIFEHEZANA NY VIDIN’NY PPN
Natao loa-bary an-dasy tetsy amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina ny momba ny famatsiana PPN, izay nitondrana vahaolana ho an’ny mpanjifa. Nandray anjara tamin’izany ny mpivarotra mpaninjara sy mpamongady, ireo lehiben’ny tsena niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy. Efa nisy dinika nifanaovana tamin’ireo mpanafatra entana sy ireo mpamokatra eto an-toerana, ary nametrahana ny tsy hisy fiakaran’ny vidin’entana amin’izao vanim-potoana izao. Manoloana ny fikorontanan’ny vidim-bary eny amin’ny tantsaha, nisy dinika lehibe tetsy Ambohidahy ny 29 desambra 2025, nandraisan’ny MCC (Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana) ny MEF (Minisiteran’ny Toekarena sy Fitantanam-bola), ny MinAE (Minisiteran’ny Fambolena sy Fiompiana), ny APIMF (Association Professionnelle des Institutions de Microfinance de Madagascar, ary ireo solontena avy amin’ny mpisehatra ara-bary sy teknisiana isan-tsokajiny anjara. Nifantoka tamin’ny famahana ny olana momba ny vidim-bary izany, ary nanamafy ny Minisitra Haingotiana ANDRIAMADISON fa “Mitohy foana ny fifampiresahana, hamahana ny olana.”
Toky R

 

Dans la même rubrique

05-mars-2026

ato ny lalam-barotra miantsinanana»

Card image cap
05-mars-2026

be dia be saingy…»

Card image cap