airtel

Toekarena

05-nov-2021

Toekarena

Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola “Efa handoa vola izao ny fanjakana …”

Sample post image

Nilaza ny Fanjakana tamin’ny alalan’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola Rtoa Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison omaly,

05-nov-2021

 fa an-dalam-pamahana ny olana eo anatrehan’ny vola samihafa mbola tsy voaloa miteraka fitakiana ny Fitondrana. Isan’ny noresahiny ny momba ireo orinasa mpanao làlana sy ny mpandraharahan’ny Oniversite. Tsara ny mampahatsiahy, fa naato aloha ny tetikasa vatsian’ny FR (Fond Routier) vola, araka ny didim-panjakana noraisina ny 27 oktobra lasa teo. “Ny FR manam-bola, fa ny volan’ny FR misy fanadihadiana mavesatra dia mavesatra. Efa tapitra ny ankamaroan’ny fanadihadiana. Efa miainga avy any amin’ny Fiadidian’ny Repoblika ny lisitra, ka miandry ny lisitra ofisialy. Ho an’ny asa vita hatramin’ny farany dia tsy maintsy aloa vola; misy ny tsy nahavita hatramin’ny farany ka raha tsy miverina mamita ny asa dia tsy hahazo vola; misy ny tsy nisy mihitsy ilay asa ka tsy hisy vola hivoaka na efa misy aza ny fandefasana faktiora”, hoy ny Minisitry ny toekarena sy ny fitanam-bola Rtoa Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison. Tsara ny mampahatsiahy, fa mahatratra 33 miliara Ar eo ny volan’ireo orinasa mpanao làlana sy asa vaventy 230 voalaza fa mbola tsy voalohan’ny Fanjakana. Ho an’ny mpandraharahan’ny Oniversite na ny PAT (Personnel Adminisitratif et Financier) dia nambarany fa efa tapitra ny dingana rehetra, ka hiroso amin’ny fandoavana sisa. Efa nivoaka rahateo ny didim-panjakana, hoy ny fanazavana. Nanamafy moa io minisitra io, fa manam-bola ny Fanjakana, saingy fanadihadiana sy fanadiovana no anton’ny fahatarana samihafa. Nambara rahateo, fa 38% ny “Taux d’engagement” na ny volam-panjakana isan-taona hatreto, raha toa ka tokony ho eo amin’ny 80% eo ho eo izany amin’ny volana hitsahintsika tahaka izao.
SARY 1:Hahazo ny volany amin’izay izany ireo orinasa mpanamboatra sy mpikojakoja lalana
Nambara, fa dingana isan-karazany amin’ny famoaham-bola no maha taraiky. Amin’ny vanim-potoana tahaka izao no mahavita ny dingana rehetra, ka any amin’ny novambra mety ho tonga any 60-80%, hoy io Minisitra io. Isan-taona eo antenantenany na ny faran’ny volana novambra no famaranana ny volam-panjakana, saingy hahemotra ho amin’ny desambra izany ho an’ity taona ity. Ny 2 janoary moa no nanomboka ny fanokafana ny volam-panjakana, ary ny martsa no nanomboka ny “execution budjetaire”. Tsara ny mampahatsiahy, fa misy tamin’ireo fitakiana no efa an-taonany, misy tsy nandray vola 2 ka hatramin’ny 8 volana, ary misy an-taonany,… saingy toa niniana nanaovana bemarenina sy nanaovan’ny mpitondra sasany vava be aza fa tsy amin’ny alalan’ny grevy ny hanerena ny Fanjakana hamoaka vola.

Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nifanakalo traikefa tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny any Maroc ny ekipan’ny ODOF.

Card image cap
23-avril-2024

Mbola mitohy ny fisoratana anarana amin’ny loka Pierre Castel. Hifarana ny 24 aprily ho avy izao ny andiany amin’ity 2024 ity.

Card image cap