nanao antso avo amin'ireo firenen-dehibe ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola Ramatoa Minisitra Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo. Niantso manokana ny hijeren'izy ireo akaiky ny fepetra fampindramam-bola ho an’ny firenena marefo ary hanafoana mihitsy ny trosa efa nitatao nandritry ny taona maro nifanesy mba afahan’ireo firenena ireo manana vola ampisaina ho an’ny famokarana. Manamafy izany ny Fanjakana Malagasy fa tena tsy afa-miala amin’ny findramam-bola, ary maneho fa firenena marefo fa tsy arakaraka ilay fomba firesaky ny Filoham-pirenena sy ny ekipany fa efa ao anatin’ny fandrosoana. Tsy araka ilay propagandy sy adihevitra tamin’ny 2018 ihany koa fa tsy hampandroso na amin’ny 2060 aza ny fitrosana amin’ireo mpamatsy vola mahazatra,… Nandritra io fotoana io ihany koa moa no nizaran-dRamatoa Minisitra ny politikam-pampandrosoan'i Madagasikara izay nambara fa mifototra amin’ny indostria, ary neken'ny rehetra fa fototry ny fanovana rafitra izany. Anisan'ny notanisainy tao ny politikan'ny ODOF (One District One Factory), ny tetikasa Fihariana, ny Fanodinana ireo Harena an-kibon'ny tany eto an-toerana, ary ny indostria manodina sakafo mba iadiana amin'ny tsy fanjarian-tsakafo. Ohatra amin'izany ny Nutriset, izay nambara fa mamokatra sakafo ho an’ny zaza voan’ny KERE any atsimo.
Toky R
Hotanterahina eny amin’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny Anosy ny 20 jona ho avy izao ny fifampiresahana politika na « Dialogue politique » faha-11 eo amin’i Madagasikara sy ny Vondrona Eoropeanina.
Tamin’ireo toerana rehetra nalehako, raha tsy diso aho, hoy ny mpandraharaha ara-bola, Arizaka Rakoto,
Andraikitra iaraha-manana, hoy i Arizaka Rakoto
Nanantena isika mba ho 3 tapitrisa Ariary no vidin’ny lavanila, hoy ny depiote Siteny Randrianasoloniaiko tany Ampanefena – Vohemar, ao anatin’ny faritra SAVA omaly. Amin’izao fotoana izao, hoy izy, ohatrinona?
Tanterahina eny amin’ny Novotel Ivandry ny 24-26 may ny “Journées de programmation industrielle » eo iarahan’ny