airtel

Toekarena

21-janv-2021

Toekarena

Ministeran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola « Tsy anay ilay fiaramanidina nitondra ilay volamena »

Sample post image

Nanoloana ny filazam-baovao iraisam-pirenena teo anivon’ny Africaintelligence.fr

21-janv-2021

 

 omaly izay nanambara fa an’ny minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola Malagasy ilay fiaramanidina nitondrana ilay volamena milanja 73,5 kilao tratra tao Afrika atsimo farany teo dia namoaka fandavana izany filazana izany avy hatrany ity minisitera ity ny harivan’iny ihany. Nanamarika ity fanambarana nandavana izany ity fa ny STA na “service et transports aériens” dia orinasa na “société”. Amin’ny alalan’ny fitaterana an-tanety ihany koa, hoy hatrany ny fanamarihana, no hampifandraisana ireo fanaraha-maso atao amin’ny entana rehetra. Mikasika ny famatsiam-bola ho fitsinjarana ny karaman’ireo mpiasam-panjakana any amin’ireo faritra saro-dalana kosa dia misy ny fifanarahan’ny minisitera amin’ireo orinasa misehatra anatin’izany. Nankinin’ny minisitera amin’ny alalan’ny tahirim-bolam-panjakana amin’io orinasa voalaza teo io ny fitaterana izany ho an’ireo toeram-pandraisam-bola miisa 20, amin’ny alalan’ny fitaterana ana habakabaka. Miisa 32 ireo sidina natao ny taona 2020 noho izay fahasarotan-dalana izay. Nanamafy noho izany ity minisitera ity fa tsy nisy fifanarahana nataon’izy ireo tamin’ny STA na mombana resaka fitaterana entana io na resaka famatsiam-bola ho an’ny mpiasam-panjakana.

J. Mirija

 

 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

1400 miliara Ariary eo, ankoatran’izay efa nampidirina anaty kitapom-bolam-panjakana, ny hetra tsy tafiditra,

Card image cap
18-avril-2024

Niresaka tamin’ny sehatra tsy miankina foana ny fitantanana ankapoben’ny hetra na DGI,

Card image cap