airtel

Toekarena

04-août-2022

Toekarena

Miteny ny tantsaha « Tsy tokony hijabahan’ny fanjakana ny famerana ny vidim-bokatra »

Sample post image

Tena sahirana ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika. Amin’ny ankapobeny mantsy dia tsy mba afaka manapa-kevitra ny momba azy manokana izy ireny hoy Ramanantsoa Raoninarivo Jacques,

04-août-2022

injeniera misehatra amin’ny lafiny fambolena sy fiompiana eto amintsika no sady tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny FIER-MADA na ilay tsenaben’ny tantsaha fanao isan-taona eto amintsika. Niray feo ireo tantsaha mpamokatra omaly nilaza fa tsy tokony hijabahan’ny fanjakana ny famerana ny vidim-bokatr’izy ireo.


IREO TANTSAHA IHANY NO TENA MAHALALA
Tsy misy mahalala ny zavatra iainan’ireo tantsaha afa-tsy izy ireo irery ihany. Izy ireo no mahafantatra ny vidin’ny masomboly hampiasainy, ny zezika, ny rano….hatramin’ny fiotazana ny vokatra ary ny fitaterana izany tonga hatreny amin’ny mpanjifa. Izy ireo no afaka mamaritra ny mason-karenany sy ny vola tokony hiditra aminy noho izany tsy tokony ny fanjakana no hijabaka hametra ny vidim-bokatra hoy izy ireo omaly. Io no anisan’ny fototra mampahantra ireo tantsaha eto amintsika no sady tsy hahafahan’izy ireo mivoatra amin’ny fiainana fa voageja tanteraka. Mampalahelo ihany koa ny tsy fisian’ny fifampitokisana eo amin’ny fanjakana sy ny tantsaha hoy izy ireo. Tsy mahatoky anay tantsaha ireo manam-pahaizana hoy hatrany izy ireo. Tsy misy ihany koa ny fifanajana, ny fifanampiana, ny fifanasoavana ary ny rariny sy hitsiny hany tsy mety tafavoaka ny isan-tokantrano. Manjaka ny fitaka sy ny tsy rariny. Tokony avela halalaka ny tantsaha fa tsy hambakaina lava sy gejaina hoy hatrany ny feon’izy ireo omaly.


KARAMA FARANY AMBANY
Toraka izany koa ny karama farany ambany hoy Ramanantsoa Raoninarivo Jacques. Tsy tokony ny fanjakana no hametra izany hoy izy fa ny vahoaka. Ny vahoaka mantsy hoy izy no mahalala ny fisondrotry ny vidin’entana eny an-tsena isan’andro. Mbola izy ireo ihany koa no mahalala ny hakeliny na haben’ny karamany manoloana ny fiatrehana ny vidim-piainana izay hampitaina mivantana eny anivon’ny Antenimieram-pirenena. Noraisiny ohatra tsotra mifandraika amin’izany ny Antenimieram-pirenena any Frantsa. Isaky ny volana Jolay mialohan’ny vakansy lehibe no fantatra fa mandinika ny vinavina ny amin’ny hampiakarana ny karaman’ny tsirairay ny fanjakana Frantsay ary manolotra izany hodinihin’ny Antenimieram-pirenena. Isika vahoaka no tokony hitsangana hametra ny karama farany ambany hoy hatrany ity ingeniera ity fa tsy ny fanjakana. Ny demokrasia mantsy hoy izy dia midoika mazava fa fahefam-bahoaka.
TRANO EVA MIHOATRA NY 200
Tao anatin’ny fanombohana ilay hetsika Fier Mada andiany faha-23 tanterahina etsy amin’ny kianjan’i Maki Andohatapenaka avokoa no nahafantarana izany omaly. Miisa 200 mahery ireo trano eva mandray anjara amin’izany izay marihina fa mampiranty sy mampahafantatra ireo karazam-bokatry ny tantsaha manerana ny faritra 23. Somary nihena ireo mpandray anjara tamin’ity taona ity noho ny fisian’ny valan’aretina Covid 19 nanomboka tamin’ny taona 2019 ka tsy nahafahan’ireo tantsaha mpamokatra nanohy ny asa fivelomany toy ny tamin’ny andavanandro. Haharitra 5 andro ny hetsika ka anisan’ny tanjona hotratrarina ny hampivoatra ny fiainan’ireo vahoaka Malagasy. Manomboka any amin’ny tantsaha no hanaovana izany ka hatrany amin’ny isam-baravarana mba hampanan-karena ny tsirairay. Tokony hisitraka ny harena misy eto Madagasikara avokoa ny rehetra hoy hatrany Ramanantsoa Raoninarivo Jacques. Loha-hevitra nampitondraina ity hetsika ity moa ny hoe : mpirahalahy mianala ny fanjakana sy ny tantsaha mpamokatra. Ny nampalahelo anefa dia tsy nahitana solontenam-panjakana tonga mihitsy teny an-toerana omaly na dia niandrandra mafy izany aza ireo mpikarakara sy ireo tantsaha mpamokatra.

Pati
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

miainga any amin’ny fanisana na «comptabilité» ny fanatsarana ny fampidiran-ketra,

Card image cap