airtel

Toekarena

05-mai-2022

Toekarena

Mpisehatra ifotony amin’ny lavanila “Ho potika ity sehatra ity raha izao no mitohy”

Sample post image

Nandefa taratasy misokatra ho an’ny filoham-pirenena, praiminisitra, minisitry ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary fanjifana, minisitry ny toekarena sy ny vola,

05-mai-2022

minisitry ny fambolena sy fiompiana, minisitry ny atitany sy fitsinjaram-pahefana omaly ireo mpisehatra ifotony amin’ny fihariana Lavanilina mivondrona anatina koperativa maromaro. Marary ny seha-pihariana Lavanilina, hoy izy ireo niakatra teto an-drenivohitra, ary mafy lavitra noho ny COVID 19 izany. Avy amin’ny distrika miisa 4 ao amin’ny faritra SAVA moa izy ireo raha ny fampahafantarana natao tetsy amin’ny Le Louvre Antaninarenina. Nisy ary mbola hisy, hoy izy ireo, ny fifampiresahana tamin’ireo tomponandraiki-panjakana voalaza teo mba hahafahana mametraka ny tetiandrom-piotazana mifanaraka amin’ny tokony ho izy. Rehefa mbola tsy milamina ihany koa ny vidiny hifanarahana amin’ity vokatra ity dia hitabataba eto foana izahay. Misy foana ny fanambakana matoa mivondrona ireto tantsaha ireto. Isany ady goavana hatrehina ny resaka halatra lavanilina sy ny trafika tsy ara-dalana mikasika izany. Isany mahatonga izany ny tetiandrom-piotazana tsy mifanaraka amin’ny zava-misy eny ifotony. Ilay Lavanilina efa matoy nefa mbola tsy tonga ny fotoam-piotazana. Avereno eny amin’ny fokontany ny fanomezana ny tetiandrom-piotazana. Nangataka fahefana feno tamin’ireo minisitera rehetra ireo izahay ahafahana manoro ireo mitsikombakomba na manao kolikoly mikasika io fihariana Lavanilina io. 3 volana izahay tsy matory andro aman’alina miambina ny vokatray. Ho potika ny kalitaon’ny Lavanilina malagasy raha izao no mitohy, hoy hatrany izy ireo, nampaneno lakolosy. Tsy manana anjara toerana sy sehatra ifampidinihana ny mpamokatra manoloana ireo rafitra isan-karazany najoro hisahana ny fihariana Lavanilina toy ny CNV, CTP, CRV, hoy izy ireo.
J. Mirija

 

 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nifanakalo traikefa tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny any Maroc ny ekipan’ny ODOF.

Card image cap
23-avril-2024

Mbola mitohy ny fisoratana anarana amin’ny loka Pierre Castel. Hifarana ny 24 aprily ho avy izao ny andiany amin’ity 2024 ity.

Card image cap