airtel

Toekarena

09-juil-2021

Toekarena

Mpitrandraka niala teto Madagasikara Tsy resy lalahtra intsony ny hampiasa vola eto

Sample post image

Ao anatin’ny ivon’ny fankalazana ny faha 45 taonan’ny OMNIS isika ankehitriny, hoy ny minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika, Fidiniavo Ravokatra, nanotrona izany teny Analakely omaly.

09-juil-2021

 

 Hitantsika ny anjara toeran’izany eo amin’ny resaka fikarohana sy fitrandrahana solika sy ny akoran’afo, hoy izy. Ny vokatra hita hatreto dia ny fananan’I Madagasikara tahirin-kevitra tao anatin’ny asa fikarohana nataon’ireo orinasa nifandimby niara-niasa tamin’ny OMNIS. Andraikitry ny OMNIS ny mampahafantatra izay harenan’I Madagasikara eo amin’ny sehatry ny solika sy akoran’afo izay. Mizotra ho amin’ny fanatsarana izany miaraka amin’ny fitondram-panjakana Malagasy izy ankehitriny hisarihana ireo orinasa miasa ao anatin’izany solika izany. Ny asa faharoa izay ho tanterahany heverina fa zava-dehibe koa dia ny fanatanterahana ny fangatahana sy fanomanana ireo antotan-kevitra na antotam-panadihadiana ilaina hanitarana ny rambon-tany ambanin-dranomasina na "plaque continentale sud" izay goavana ho antsika Malagasy ny ahazoana izany ary amintsika miteny izao no mandeha izany fandrefesana any ambanin-dranomasina izany. 3 tonta no sehatra mila mifampiresaka mialohan’ny fitrandrahana dia ny fanjakana, ny mpampiasa vola, ny vahoaka ifotony mba hahitana marimaritra iraisana. Ny nahatonga ny mpitrandraka rehetra teo niala daholo dia tsy miankina amin’ny fanjakana samirery. Misy ny tontolon’ny fampiasam-bola eto Madagasikara mikasika ny hoe manao ahoana ny resaka hetra sy haba fa anjaran’ny ireo mampiasa vola no manadihady ny risika mety iainany ao anatin’ny izany ka ankapobeny rehefa mijery isika fanjakana hoe tokony ho matomatotra ny fampiasam-bola na tokony hirosoana lalindalina ny asa fikarohana dia mety heveriny ho tsy dia mety aminy intsony ilay fampiasam-bola eto Madagasikara ka antony nialany, hoy hatrany ny minisitra.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nifanakalo traikefa tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny any Maroc ny ekipan’ny ODOF.

Card image cap
23-avril-2024

Mbola mitohy ny fisoratana anarana amin’ny loka Pierre Castel. Hifarana ny 24 aprily ho avy izao ny andiany amin’ity 2024 ity.

Card image cap
22-avril-2024

Tena mampieritreritra lalina ny tenin'ny mpitandrina tao amina fiangonana iray ny alahady lasa teo.

Card image cap