airtel

Toekarena

16-juil-2026

Nankatoavin’ny HCC ny LFR 2026

Nomena lanja ny angovo, rano, fotodrafitrasa,…

Sample post image

Mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana

16-juil-2026

ny Lalàna momba ny tetibolam-panjakana nasiana fanitsiana na ny LFR2026, araka ny didy navoakan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC. Nambara fa tsy misy andininy mifanohitra amin’ny fototra iorenan’ny rafitra ara-dalàna. Araka ny fanapahan-kevitra, ny antony nanosika ny fanitsiana dia ny fiovana ara-politika sy ara-pitantanana tamin’ny Oktobra 2025, ny vokatra nateraky ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny loza voajanahary, ny krizy iraisam-pirenena momba ny angovo, ary ny fivoaran’ny toe-draharaha iraisam-pirenena toy ny fiafaran’ny AGOA sy ny USAID. Ireo no nitarika fanitsiana amin’ny politika ara-bola sy ara-dalàna, ny fitantanana ny mpiasam-panjakana ary ny fifandanjan’ny raharaham-bola ao amin’ny Tahirim-bolam-panjakana. Nanamafy ny HCC fa voahaja ny fepetra ara-panjakana amin’ny fametrahana ny LFR ary voatazona ny fitsipika fifandanjan’ny tetibola. Ny fidiram-bola sy ny fandaniana dia mitovy, tombanana ho 30 731 751 721 tapitrisa ariary, araka ny lalàna fehizoro momba ny tetibola. Nanazava ny Minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola fa ny laharam-pahamehana dia mifantoka amin’ny angovo, ny rano, ny fotodrafitrasa ary ny fampandrosoana ara-toekarena. Anisan’ny fepetra lehibe ao amin’ny LFR 2026 ny fanafoanana ny TVA 20 % amin’ny zanabola banky sy ny fampiakarana ny « indemnité de logement » ho 200 000 ariary ho an’ny mpiasam-panjakana, ny fampiakarana 14% ny karaman’ny mpiasam-panjakana,… Ny fanapahan-kevitry ny HCC dia manamafy ny maha-ara-dalàna ny fanitsiana ara-bola, ary manome antoka fa mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana ny fitantanana ny raharaham-panjakana. Mila jerena akaiky kosa ny fiantraikan’ireo fepetra vaovao amin’ny toekarena sy ny fiainam-bahoaka, indrindra eo amin’ny sehatry ny angovo, ny rano, ny fotodrafitrasa ary ny fampandrosoana ara-toekarena. Tsy vao izao rahateo no niresahana sy nilazana fa mifanaraka amin’ny filana sy ny hetahetam-bahoaka ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana saingy hatramin’izay aloha toa ny teo ihany no teo, ny taona no niova, fa ny fahantrana nitoetra. Dia andrasana indray izany ny vokatra amin’ity indray mitoraka ity.
Toky R

 

Dans la même rubrique

21-juil-2026

Nidina ifotony tampoka tao amin'ny Fokontany

Card image cap