airtel

Toekarena

24-août-2022

Toekarena

Nosonganan’ny dolara ny vola “euro” Miova ny fifandanjan-kery maneran-tany

Sample post image

Tsy mbola hita tao anatin’ny 20 taona, nitotongana ho ambanin’ny dolara ny sandan’ny euro iray. Miantraika eo amin’ny tsena ara-bola Eoropeanina ny krizy ara-angovo sy ny fijotsoana ara-toekarena mahazo ity Kaontinanta ity.

24-août-2022

Ny alatsinainy teo, nidina ambanin’ny dolara ny vola euro, izay tsy nisy nanomboka ny taona 2002 fotoana nanomboka nampiasana sy nipariahany. Nisy fitotonganan’ny 0,96% ny sandan’ny 1 euro mitaha amin’ny dolara, ka lasa 0,9941 ny sandany ny alatsinainy tamin’ny 3ora sy sasany ora iraisam-pirenena. Miha mahazo toerana ny dolara, izay mibahan-toerana kokoa amin’ny tsenan’ny fanafarana entana iraisam-pirenena, indrindra fa ny filàna fototra toy ny solika izay ny dolara no mamaritra azy. Manamafy ny fidangan’ny vidim-piainana any Eoropa izay tena miantraika amin’ny mpanjifa sy ny orinasa io. Etsy andaniny, ny orinasa mpamatsy gazy goavana “Gazprom nampitandrina fa hisy fahatapahana ny famatsiana vokatry ny fikojakojana ny 31 aogositra-2 septambra 2022, izay vao mainka hanamafy ny tsy fahampiana any Eoropa, izay mifandramatra amin’I Rosia sy manasokajy ity firenen’I Poutine ity ho manao takalon’aina ara-angovo aminy. Miha midangana hatrany ny sandan’ny gazy any Eoropa, tafiakatra 295 euros ny Méggawattheure ny alatsinainy teo, izay efa manakaiky ny ambony indrindra eo amin’ny tantara hatramin’ny nisian’ny fanafihan’ny Rosianina an’I Ukraine. Manomboka mametra-panontaniana ny hatramin’ny fampahalalam-baovao any Eoropa hoe: ho afaka handoa faktiora ve ny Eoropeanina? Miha sahirana I Eoropa! Miantraika manerana izao tontolo izao ny ady any Ukraine, ary heverina fa hanova ny fifandanjan-kery “rapport des forces” eo amin’ny lafiny Jeopolitika maneran-tany. Izay firenena mahay manararaotra ny zava-misy no mety ho tafavoaka ara-toekarena. Aiza ho aiza amin’izany I Madagasikara? Ny mpitondra eto mpanilika lava, mivoy lava fa iraisan’izao tontolo izao ny krizy. Ny firenen-kafa toa an’i Rwanda anefa nanapa-kevitra ny hanao izay hahavitantena ara-tsakafo satria tsy rariny ary tsy azo ekena raha i Ukraine izay tsy misy mponina afatsy 44 tapitrisa no hamelona an’i Afrika izay misy mponina 1,4 miliara, hoy ny Filohany Paul Kagame. Manome toky izy fa tsy maintsy hahavita tena ara-tsakafo ny fireneny hatramin’ny 2023. Ny mpitondra Malagasy kosa mbola manamafy ny maha tompondakan’ny fampandrevorevoana vahoaka .

Toky R


 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

miainga any amin’ny fanisana na «comptabilité» ny fanatsarana ny fampidiran-ketra,

Card image cap