airtel

Toekarena

22-nov-2021

Toekarena

Nosy Be Bell Ville Naneho ny alahelony ireo mpisehatra ara-pizahantany

Sample post image

Nanao fihetsiketsehana nentiny nanehoana ny alahelony sy fahadisoam-panantenany ireo mpisehatra ara-pizahantany maro ao Nosy Be Hell Ville ny faran’ny herinandro teo.

22-nov-2021

 Tamin’ny alalan’ny lamba mainty misy sora-baventy no nanehoan’izy ireo azy. Anton’izany ny tsy fisian’ny sidina avy any ivelany ho tonga tao Nosy Be mba nantenaina hitondra mpizahatany, kanefa hatramin’ny 23 oktobra 2021 no nambaran’ny fanjakana fa nisokafan’ny sisintany amin’ireo Nosy manodidina, ary ny 6 novambra kosa nisokafan’ny sisintany amin’i Eorôpa. Mahatsiaro ho mangirifiry amin'ny fikatsoan’ny asa fihariana amin’ny tsy fisian’ny mpizahatany ny ankamaroany. Mivelona sy miasa amin'io sehatra io anefa ny fizahantany ny ankamaroan’ny olona. Mpanavakavaka ny fitondram-panjakana satria Antananarivo ihany no mahazo sidina avy ivelany, hoy ireo, mpisehatra ara-pizahantany, ka nahatonga azy ireo nanao izao hetsika izao mba hikatsaham-bahaolana. Tetsy ankilany, nidina teo amin’ny toerana nisian’ny fifamorian’ireo mpisehatra amin’ny fizahantany ny mpitandro ny filaminana mitambatra notarihin’ny solontenam-panjakana ao an-toerana, nanakana ny diabe nitety tanàna saika hataon’iretsy mpanao fihetsiketsehana. Manahirana ny zava-misy satria ireo olona mitaraina noho ny fikatsoan’ny asa fihariany, ny valanaretina ihany koa anefa mirongatra sy mitombo indray. Ny vahaolana dia ny mitandrina hatrany, saingy na tiana na tsy tiana, mbola sarotra ny hahafoana ity valaretina ity eto ambonin’ny tany. Tsy afaka ny hihiboka sy hampikatso ny fihariana mandavan-taona isika, fa ny fiarovana sy fahaizana miara-miaina aminy aloha no isan’ny vahaolana mafonja, ka isan’izany ny fanaovana vaksiny.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

miainga any amin’ny fanisana na «comptabilité» ny fanatsarana ny fampidiran-ketra,

Card image cap