airtel

Toekarena

01-sept-2022

Toekarena

Nosy be “Efa niverina ny 80% n'ireo mpizahatany”

Sample post image

Sahirana dia sahirana izahay tao Nosy be noho ny fandalovan’ny COVID 19 teo, hoy ny ben’ny tanana ao an-toerana, Vita Gilbert.

01-sept-2022

Miankina amin’ny mpizahatany, hoy izy, ny fiainana ao Nosy be. Nikatso nandritry ny 2 taona. Nisokatra izy teo anivon’ny taona 2020-2021 fa fotoana fohy. Miverina moa izy izao satria misokatra ny sisintany. Tsy maintsy miandalana izany fiverenan’ny mpizahantany izany satria na ny fiomanan’ny kaompania ana habakabaka aza dia mbola tsy mahafeno satria nisy mpandeha tsy voahomana hiatrika fitiliana, ohatra. Mangataka amin’Andriamanitra moa mba hiverenan’izany tanteraka. Heverina ho tonga izany mandra-pahatongan’ny faran’ny taona. Somary nanahirana ny mpizahantany ilay hoe miainga avy any izy manao fitiliana. Mandalo fifindrana mbola manao fitiliana. Tonga aty mbola manao fitiliana koa. Zava-dehibe ho anay noho izany ny fahatsapan’ny fitondram-panjakana izany ka dia nofoanana ny antsika. Malaza ho madio rahateo I Nosy be ary mbola nampianay izany fahadiovana izany. Raha atao isan-jato dia azo lazaina hoe efa niverina 80% ny mpizahatany ao Nosy be, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Legende: Ny ben’ny tanàna ao Nosy be 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Nahazo ny anjarany tamin’ny milina ODOF ihany koa ny Kaominina Ambohimangakely,

Card image cap