3 volana mahery kely teo izany izay, hoy izy. Sampana miisa 10 no voasokatray, izay nofarananay tao Sambava ny alakamisy teo. Hazakazaka ilay izy nefa tao anatin’ilay hoe fanenjehana fahatarana ihany koa noho ny fiandrasana fahazoan-dalana. 14 moa no heritreretina hatao amin’ity taona 2022 ity. Mananika ny 2500 any izao no isan’ny mpanjifa ato anatin’ity isan’ny banky izay marihina fa 100% malagasy ity. 350 eo no isan’ny findramam-bola efa navoaka. 15%n’ny mpanjifa izany izao no efa nisitraka findramam-bola. Tsy mora moa ny manao zavatra, indrindra, ho an’ny gasy kely vao miavotra toa anay izay tsy mba nahazo famatsiam-bola na ara-tekinika avy any ivelany na avy amin’ny fanjakana. Tena sarotra ny ao amin’ny enti-manana ary manjaitra atody araka ny fitenenana. Atao izay hijoroana ho mariky ny ezaka tiana ho tanterahana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija