Ambatondrazaka. Afaka mitelina voatabia 1 taonina isan’ora ny foto-drafitrasa koa raha mihodina adin’ny enina isan’andro dia mamoaka vokatra 1 taonina na 1,5 taonina isan’andro. Voatabia voapotsitra azo tehirizina, ketchup na saosy voatabia no azo amin’izany mba hanampiana ireo tantsaha mpamokatra hitahiry ny vokany. Mamokatra voatabia betsaka ny any Ambatondrazaka indrindra fa ny ao Ambohitsilaozana, Ambandrika, Feramanga avaratra, Ambohidava, Ambatosoratra sy ary Ambovory. Tafakatra 16. 500 taonina isan-taona ny vokatra voatabia any an-toerana nefa tsy hita izay hanaovana azy. Araka ny fangatahan’ny tantsaha dia natolotra an’Ambatondrazaka ny milina fanodinana voatabia anatin’ny Tetik’asa ODOF (One District One Factory) tamin’ny faran’ny herinandro teo.
Nangonin’i Pati
Legende : Tonga tany an-toerana nisantatra izany ny Ministry ny indostria sy ny varotra Edgard Razafindravaha !