Araka ny fanazavan’ny tale jeneraly misahana ny hetra eto Madagasikara, Germain, dia misy ny rafitra vaovao napetraka hitantanana ny fandoavan-ketra eto Madagasikara. Antsoina hoe SAFI izy io ary rafitra iray napetraka mba tsy hikirakirana taratasy intsony eo amin’izay lafiny fandoavan-ketra izay, hoy izy. Isan’ny fanatsarana koa ny fomba fitantanana ny TVA na hetra alaina amin’ny entana voahodina, hoy hatrany ny tenany. Mikasika ny fepetra mifanaraka amin’ny lalàna kosa dia tanjona napetraka, hoy ny fanazavana, ny fitsinjovana ny fahefa-mividin’ireo mpanjifa. Isan’ny fanovana ny mikasika ny hetra alaina amin’ireo vokatra fihinana sy an’ala. Eo ny fampiharana ny fakana 3% amin’ny vokatra aondrana ao anatin’ny 2 volana. Fakana hetra na “retaxation” an’ireo vokatra ara-tsolika amin’ny taha 20% mikasika izay TVA izay. Tsy tokony hihoatra ny 200 tapitrisa Ariary kosa ny hetra alaina amin’ireo orinasa mikambana anatine koperativa, hoy hatrany ny fanazavana. Nanotrona ity fampahafantarana ity moa ireo solontenan’ny orinasa madinika sy salantsalany eto amin’ny firenena, isany ireo avy amin’ny orinasa madinika fitrandrahana vato ary dia mbola hifandresen-dahatry ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana hatreto ny mikasika ny hetra alaina amin’ny atao hoe “droit de sortie” na saram-panondranana ity.
J. Mirija
Hotanterahina eny amin’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny Anosy ny 20 jona ho avy izao ny fifampiresahana politika na « Dialogue politique » faha-11 eo amin’i Madagasikara sy ny Vondrona Eoropeanina.
Tamin’ireo toerana rehetra nalehako, raha tsy diso aho, hoy ny mpandraharaha ara-bola, Arizaka Rakoto,
Andraikitra iaraha-manana, hoy i Arizaka Rakoto
Nanantena isika mba ho 3 tapitrisa Ariary no vidin’ny lavanila, hoy ny depiote Siteny Randrianasoloniaiko tany Ampanefena – Vohemar, ao anatin’ny faritra SAVA omaly. Amin’izao fotoana izao, hoy izy, ohatrinona?
Tanterahina eny amin’ny Novotel Ivandry ny 24-26 may ny “Journées de programmation industrielle » eo iarahan’ny