airtel

Toekarena

22-sept-2026

Orinasa KRAOMA

Vonona hiara-miasa sy

Sample post image

eto hampiasa vola ny Sinoa

22-sept-2026

Tonga tao amin’ny Birao Foiben’ny Kraomita Malagasy - Kraoma S.A. Ampefiloha, ny andiana mpampiasa vola sinoa nihaona mivantana tamin’ny teknisianina izay notarihin’ny Tale Jeneraly. Mitranga izany roa herinandro aty aorian'ny fitsidihana ofisialy nataon’nyTale Jeneralin'ny KRAOMA, Keron Idealson tany Sina farany teo. Ity fihaonana omaly Alatsinainy 21 Septambra 2026 ity dia fihaonana ara-teknika voalohany niarahan’ny roa tonta nampahafantarana ny zavatra ataon’ny Kraomita Malagasy sy niresahana ny zavatra andrasany KRAOMA amin’izy ireo ihany koa. Hitohy amin'ny fidinana ifotony any amin’ireo toeram-pitrandrahana iandraiketan’ny Orinasa Kraomita Malagasy ny dinika niarahana tamin'ireo Sinoa mpampiasa vola ireto. Hatreto aloha dia hifantoka amin’ny akora kraomita sy volamena. Afa-po tamin’ny fihaonana omaly io izy ireo, ary marisika noho ny Orinasa Kraoma izay orinasam-panjakana. Arak’izany, mahatsiaro tena fa ho voaaro tsara ny fampiasam-bola hataon’izy ireo. Mbola nohamafisin’Andriamatoa Tale Jeneraly fa ao anatin’ny mangarahara daholo ny hanatanterahana ny dingana ary fiaraha-miasa "samy mahazo tombony" no hapetraka. Fiaraha-miasa maharitra no fanirian’ireto
Jean D.
Dinika nifanaovan'ny teknisianin'ny KRAOMA notarihin'ny Tale jeneraly Idealson sy ireo Sinoa mpampiasa vola
 

Dans la même rubrique