airtel

Toekarena

25-août-2021

Toekarena

Orinasa mpandoa hetra Ezahana hahatratra 2.000.000 raha mbola 480.000 ankehitriny

Sample post image

Tontosa omaly tetsy Anosy ny fampahafahantarana ofisialy ny fahafahan’ireo orinasa rehetra manomboka any amin’ny orinasa vaventy ka hatrany amin’ny madinika indrindra

25-août-2021

 mandoa hetra amin’ny alalan’ny finday na ny antsoina hoe “E-Hetraphone”. Azo hanatontosana azy io avokoa ireo tambazotram-pifandraisan-davitra miisa 3 eto Madagasikara, hoy ny fanazavan’ny minisitry toekarena sy ny tetibola, Rindra Rabarinarison. Fomba iray entina mandoa ny hetra tambatra izy ity, araka izany, hoy ny tale jeneraly misahana ny hetra, Germain. Natao hialana tsikelikely ihany koa amin’ny fifampikasohana amin’ny samy olombelona, hoy izy, ho fiaraha-miasa amin’ny ivon-ketra rehetra manerana an’I Madagasikara. Tsy mbola foana aloha amin’izao voalohany izao ny fandoavan-ketra eny amin’ny ivon-ketra. Entanina kosa anefa ny mpandoa hetra mba handoa ny hetrany amin’ny alalan’ity “E-Hetraphone” ity. Tsy misy sarany, hoy hatrany ny fanazavany, ny fandoavana izany amin’ny alalan’ny finday. Tombanana hahatratra any amin’ny 2.000.000 any moa ny isan’ireo mpandoa hetra voalaza teo hatramin’ny taona 2023. 480.000 ankehitriny ireo voaisa ho mpandoa hetra. Tanjona ny hampiakarana ireo sehatra tsy ara-dalàna mba hiditra amin’ny ara-dalàna afaka 2 taona, hoy hatrany ny tale jeneralin’ny Hetra.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

miainga any amin’ny fanisana na «comptabilité» ny fanatsarana ny fampidiran-ketra,

Card image cap