sy ny faran’ny taona dia namoaka vokatra vaovao ny orinasa Star. Misy telo karazana izy ireo dia ny VALMONT, CAPRICE NOËL ary THB NOËL. Vokatra vaovao tsara kalitao sy amin’ny vidiny mirary ary natao ho eo anilan’ny Malagasy hanala hetaheta sy hizara fotoana tsy manam-paharoa izy ireo. Ny Valmont dia divay avy any any Espagne, mifandanja tsara ny kalitao sy ny vidiny Divay mena, misy alikaola 11,5 %, arotsaka anaty tavoahangy ao amin’ny ozinina STAR Ambatolampy amin’ny abehany 50 cl. Nanomboka ny volana oktobra teo dia hita eny amin’ireo toeram-piantsenana lehibe sy toeram-pisakafoana eto Antananarivo ity vokatra ity, 9.000 Ar ny vidiny. Ny CAPRICE NOËL indray dia manome hamamiana ny fety. Amin’izao fety izao dia horavahan’ny lokon’ny krismasy izy io. Ireo endrika CAPRICE rehetra dia ahitantsika tavoahangy misy Dadabe Noely miakanjo maitso, izay loko nahafantarana azy tany am-piandohana. Ny loko maitso ihany koa dia loko hita amin’ny sainam-pirenena malagasy, mampiseho fa vokatra vita malagasy 100% ny CAPRICE. Tsy latsa-danja amin'ireo ny THB NOËL. Novokarina manokana ho fankalazana ny krismasy izy io, izay manatevin-daharana ny marika THB. Hita manerana ny nosy nanomboka ny tapaky ny volana novambra teo ity labiera vaovao manana tsiro miavaka ity. 6,5% ny tahan’ny alikaola ao aminy, amin’ny tavoahangy 33cl ary azo jifaina amin’ny vidiny 2 500 Ar toy ny THB mahazatra. $
Pati
Légende : Ireo tompon'andraikitra eo anivon'ny orinasa Star mampahafantatra ny vokatra omaly !