tia tanindrazana

Parution du Mercredi, 28 Septembre 2022

airtel

Toekarena

Orinasam-panjakana Politikam-pandrobana hatreto…

Misy olana ny ankamaroan’ireo orinasam-panjakana akanga sisa nanamborana taorian’ny « privatisation » an’ny Repoblika faharoa.

28-juil-2022

Sample post image

Ny Air Madagascar io iaraha-mahita io ny manjo azy, ny CNaPS izay ny sehatra tsy miankina no tena tompon’ny latsakemboka dia io tsy takona hafenina io ny manjo sy ny nanaovana azy, ka ahiana mafy ny hoaviny, ny Jirama mitambatra ny tarazon’ny tsy fahaiza-mitantana sy ny fanaovana tantely afa-drakotra,… Raha mijery ny any ivelany, mariky ny fiandrianam-pirenena ireny orinasam-panjakana ireny, ary atao izay hahavelona azy amin’ny fomba rehetra. Ny an’ny firenena sasany aza hatramin’ireo orinasa goavana sy matanjaka ao aminy mitady ho rendrika hatao izay hanarenana azy. Raha miresaka Kaompania an’habakabaka, ohatra, reharehan’ny Frantsay ny Air France, ary nanatontonana volabe tsy toko tsy forohana ho fanavotana azy tamin’ny coronavirus. Noho ny zava-misy, mitambatra amin-dry zareo Neerlandais amin’ny alalan’ny Air France-KLM ao anatin’ny fiaraha-miombon’antoka mazava, fa tsy tahaka ny antsika hoe : samy manao izay hihinanany ny mpitantana. Nahatratra 11 miliara dolara ny fatiantoka nanomboka ny 2020, saingy miezaka manarina sy manatsara hatrany, nisy hatramin’ny fanesorana mpiasa hatrany amin’ny 1580 saingy novatsiana vola 17,7 tapitrisa euros hanorenana fiainana sy fihariana vaovao. Ny antsika tsy velon-kantenaina, ary tsy maty hafoy,… Ohatra iray hafa, ny EDF (Electricité de France) izay mpamokatra herinaratra ao Frantsa, izay nanapahan’ny Fanjakana halainy manontolo na dia efa 84% aza ny petra-bolan’ny Fanjakana ao anatiny. Hanatontona vola hatrany amin’ny 9,7 miliara euros. Tombanana ho hatrany amin’ny 60 miliara euros ny trosa hatramin’ny faran’ny taona 2022. Sahirana ny orinasa ka havadika ho 100% an’ny Fanjakana ny petra-bola, miditra amin’ny fanatsarana sy fanovam-pitantanana, hiroso bebe kokoa amin’ny angovo nokleary,… Ny antsika, arakaraka ny olana miseho no mampitombo ny aferam-pitantana: solika 64000 litatra manjavona saingy nodiana adala tsy misy tohiny intsony, fandaniana hafahafa toy ny 1 miliara Ar nolazaina fa “prime de performance” kanefa ny orinasa aza io, zaridaina sy fanadiovana handaniana 1 miliara Ar,… Stratejika be ny sehatry ny angovo, saingy toa mitady hirona betsaka amin’ny fanomezana azy ho an’ny tsy miankina amin’ny vidiny mora. Tsy tena mahavita tetikasa goavana momba ny angovo ny Fanjakana, fa ny an’ny tsy miankina no ezahina japiana amin’ny ankampobeny,…
NY TSY MIANKINA MOA EFA ELA NO TSY VOAJERY
Raha handray, ohatra amin’ny fanarenana sy fanosehana ny tsy miankina isika, dia ny nataon’ny Filoha Amerikanina teo aloha Barack Obama rehefa vizana ireo orinasa mpanamboatra fiara noho ny fitobahan’ny fiara sinoa izay mora kokoa, ka namoahany 300 miliara dolara nanosehana ny Ford, Crisler, Chevrolet,… Marina fa tsy afaka hilahatra amin’ny firenen-dehibe isika, saingy misy ny azo atao raha tsara tantana ny firenena sy ny volam-bahoaka. Raha nandalo krizin’ny coronavirus isika. Betsaka ny orinasa rendrika, sesilany ny antso avo, fa ny re dia fanodikodinana ny volan’ny coronavirus, afera maro,… fa tsy nisy fijerena izany toekarena izany. Porofo iray mivaingana ny tatitry ny Fitsarana momba ny Kaonty nivoaka ny 17 febroary 2022 teo. Ekena fa misy ny fampiakarana ny karama farany ambany ho 250000 fa ny ankoatra izay manjavozavo, ny fampidinana vidim-piainana tsy ahitam-bahaolana. Mizotra mankaiza marina ny fitantanana ity firenena ity?
Toky R
Légede: Ahiana ho vizana ny CNaPS, potika tsy mety tafarina ny Jirama
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Hetsika «La Grande Braderiede Madagascar » Hanampiana ny mpandraharaha, hampiakarana ny toekarena
28-sept-2022

Tena difotry ny fahasahiranana ny mpandraharaha Malagasy indrindra taorian’ny nandalovan’ny valan’aretina COVID 19 teto amintsika.

Card image cap
Fanorenana ifotony an’i Madagasikara “Tsy tonga ny mpitondra nefa raiamandreny no niantso”
23-sept-2022

Amin’ny maha raiamandreny mpiahy ny Vondrona politika FIAM na fanorenana ifotony an’i Madagasikara ny tenako, hoy ny mpanao politika, Joseph Yoland,

Voir plus