airtel

Toekarena

26-janv-2023

Toekarena

Paikadin’ny AGOA 2022-2025 Nanampy an’I Madagasikara I Etazonia

Sample post image

Nanampy an’i Madagasikara amin’ny fandrafetana ny paikadin’ny AGOA 2022-2025

26-janv-2023

Mivonona ny hanohana ny governemanta Malagasy sy ny sehatra tsy miankina, amin'ny alalan'ny African Growth and Opportunity Act (AGOA), ny governemanta amerikanina, araka ny fanamafisana nataon’ny Masoivohony eto Madagasikara. Raha fintinina, fanomezan-dalana ny firenena Afrikanina hanondrana any Etazonia tsy mandoa haban-tseranana na “taxes douanières” ny tsenan’ny AGOA. Antony ahafahantsika misitraka an’io ny fahitana taratra ny mety ho fampandrosoana maharitra eto amin’ny firenena, amin’ny alalan’ny fampitomboana ny fanondranana entana, sy ny fanatsarana ny fanamorana ny fandraharahana eto Madagasikara. Ny toe-karena ara-barotra matanjaka dia afaka manampy amin'ny fampivoarana ny toe-karena sy manohana ny famoronana asa eto Madagasikara, ary manampy amin'ny fanatsarana ny fari-piainan'ny tokantrano manerana ny firenena, hoy hatrany ny Amerikanina. Mikendry ny hampitomboana ny tahan'ny fanondranana entana isan-karazany avy eto Madagasikara, mankany Etazonia ny paikady nasionaly AGOA nasiam-panavaozana, ary tsindrina manokana amin'izany ny sakafo, ny lamba sy ny akanjo, ny ento-menaka ary ny asa tànana. Nanampy an’i Madagasikara amin’ny fandrafetana ny paikadin’ny AGOA, ho an’ny taona 2022-2025, ny governemanta amerikanina, izay manoro hevitra ny hampidirana ireo indostria vaovao, toy ny famokarana sakafo sy ny asa tànana, ho laharam-pahamehana hafa toy ny lamba, hoy hatrany tatitra. Tsara ny mampahatsiahy, fa taorian’ny fanonam-panjakana 2009 no isan’ny nahatapaka na nampitsipozipozy ny fisitrahantsika ny tsenan’ny AGOA.
Toky R

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

miainga any amin’ny fanisana na «comptabilité» ny fanatsarana ny fampidiran-ketra,

Card image cap