airtel

Toekarena

22-août-2022

Toekarena

Pêche Export Mahajanga nirehitra Adin’ny 8 vao voafehy ny afo

Sample post image

Ravan'ny afo Ravan'ny afo ny orinasa Pêche export Mahajanga ny marainan'ny sabotsy 20 aogositra 2022 teo, raha ny fampitam-baovao voaray.

22-août-2022

Orinasa mampiasa olona manodidina ny 460 isa ka ahitana tatsambo 300 sy mpiasa an-tanety 160 moa izy ity. Ain-dehiben’ny orinasa no potika tanteraka toy ny efitra misy ireo masinina na “salle machine”, efitra misy solosaina na “salle informatique”, efitra fampangatsiahana na “chambres froides”, laboratoara sy ny maro hafa ankoatra ireo ampaham-bokatra notehirizina tao. Nifandrimbonan'ny mpamonjy voinan'ny kaominina, ny faritra Boeny ary ny ASECNA ny famonoana afo. Nanomboka tamin'ny 3 ora maraina hatramin'ny 11 ora atoandro vao nanomboka voafehy. Tsy maintsy hisy fiantraikany lehibe amin'ny toekarena, araka izany, ny fahamaizan'ity orinasa mamelona fianakaviana marobe ity, raha ny fampitam-baovao hatrany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nifanakalo traikefa tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny any Maroc ny ekipan’ny ODOF.

Card image cap
23-avril-2024

Mbola mitohy ny fisoratana anarana amin’ny loka Pierre Castel. Hifarana ny 24 aprily ho avy izao ny andiany amin’ity 2024 ity.

Card image cap