airtel

Toekarena

01-déc-2023

PHO Resto Bel'Air

Miverina misokatra, fiaingana vaovao manomboka anio

Sample post image

Tena nanao izay fara hery hamerenana ny rava mba ho fanomezana fahafaham-po hatrany

01-déc-2023

ny mpanjifa efa nahatoky anay izahay, hoy ny tompon'andraikitra ao amin'ny trano fisakafoanana PHO Resto Bel'air. Manan-tantara ny datin'ny androany 1 desambra 2023 satria fiaingana vaovao, fahaterahana vaovao taorian'ny loza mampiahiahy nahamay tanteraka ny lakozia sy ny toerana manodidina azy tao amin'ity trano fisakafoanana ity ny alin'ny zoma 27 hifoha sabotsy 28 oktobra lasa teo. Efa nitranga moa iny, niezaka nanarina ny orinasa ka izao efa misokatra izao indray. Nahandro tena Malagasy toa ny henankisoa sy amalona, hen'omby ritra, saosisin'i sambaina no hita ao fa mbola eo ihany koa ny sakafo vahiny toa ny lasopy Pho vietnamianina,...Tsiahivina fa ny voalana septambra 2019 no nisokafan'ny PHO Resto Bel'Air, mahaka olona hatramin'ny 60. Ao anatin'ny vondron'orinasa Vidy Varotra ary tsiahivina hatrany efa hita eny Ampasamadinika, Ankorondrano, By Pass, Ivato ihany koa. Orinasa 100% Malagasy.
RTT
 

Dans la même rubrique