airtel

Toekarena

01-avril-2022

Toekarena

Prix Pierre Castel Hanampiana ireo tanora mpandraharaha sangany

Sample post image

Tsy misy tsara ohatra ny manangana orinasa ho an’ny tena amin’ny resaka fihariana. Ankoatra ny fandraisana anjara amin’ny fanatsarana ny toekarem-pirenena dia afaka manampy ny mpiray tanindrazana ihany koa,

01-avril-2022

 antony hikarakaran’ny vondrona castel ilay prix Pierre Castel hanampiana ireo tanora mpandraharaha eto amintsika. Tamin’ity taona ity dia noraisin’ny orinasa Star an-tanana ny fikarakarana ny fifaninana, natokana ho an’ireo tanora Malagasy 18 ka hatramin’ny 45 taona. Tanora efa manana traikefa eo amin’ny resaka fiompiana sy fambolena no antsoina handray anjara amin’izany. Rahampitso 01 ka hatramin’ny 30 aprily kosa no hisokatra ny fisoratana anarana, andiany voalohany amin’ity hetsika ity manerana ny Nosy. Azo alefa ao amin’ny tranon-kalam-pifandraisana www.fonds.fonds-pierre-castel.org ny antontan-taratasin’ireo mpifaninana vonona ny handray anjara amin’izany. Tsy misy ny vola aloha fa maimaim-poana avokoa. Aorian’ny faha-30 –n’ny volana Aprily moa dia fantatra fa hisy ny komity hatsangana handalina ny mikasika ny antontan-taratasin’ireo mpifaninana tarihin’ny tale jeneralin’ny orinasa Star, ny solontenan’ny Ministeran’ny fambolena ary ny indostria sy ny sendikan’ny indostria eto Madagasikara. Tetikasa 6 mendrika indrindra amin’izany no hotolorana valisoa raha afaka hiatrika hohenoin’ny mpitsara lehibe tarihin’Atoa Pierre Castel hisolo tena ny firenentsika kosa ireo mendrika 2 voalohany. 15.000 Euros sy fanomezana fiofanana arahin’ny fanampiana no loka hatolotra ho an’ny voalohany, raha 10.000 Euros kosa ny an’ny faharoa. Ho an’ireo 4 farany kosa dia hahazo fiofanana momba ny fandraharahana miaraka amin’ny mari-pankasitrahana avy any amin’ny Centre de Commerce International any Genève.
Pati
Legende : Nandritra ny fampahafantarana ny hetsika
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nifanakalo traikefa tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny any Maroc ny ekipan’ny ODOF.

Card image cap
23-avril-2024

Mbola mitohy ny fisoratana anarana amin’ny loka Pierre Castel. Hifarana ny 24 aprily ho avy izao ny andiany amin’ity 2024 ity.

Card image cap