Nahazo fanohanana iraisam-pirenena hoenti-manala ny sakana amin’ny sarany mikasika tetikasa Volobe i Madagasikara, raha ny tatitry ny Filoham-panjakana Kolonely Randrianirina Michael mikasika ny diany tany Paris sy Bruxelles, ny takarivan’ny zoma lasa teo. Ireo fanohanana ireo, hoy izy, dia hanampy ny Fanjakana handray an-tanana ny ampahany amin’ny vidin’ny herinaratra izay hifanarahana amin’ny hampandroso ny tetikasa. Notsindriany fa ny saran’ny herinaratra isaky KWh no tena sakana lehibe amin’ny fandrosoan’ny tetikasa, saingy amin’ireo fanohanana azo dia antenaina fa hihena ny vidiny ka hahafahana manafaingana ny fanatanterahana. Ankoatra izany, voalaza fa nanome toky ny Filoha Frantsay Emmanuel fa hanohana an’i Madagasikara amin’ny fifampiresahana amin’ny Vondrona Eoropeana momba ity olana ity. Dingana lehibe ho an’ny firenena ny fandrosoan’ny tetikasa Volobe, satria hanampy amin’ny famokarana herinaratra sy hanatsara ny toekarena izany, indrindra amin’ny sehatry ny indostria sy ny tokantrana, raha ny fijerin’ny PRRM Kolonely Randrianirina Michael. Ny tetikasa dia mikendry famokarana herinaratra manana tanjaka 120MW, hampitombo 2 tapîtrisa eo ny mpisitraka angovo. Manodidina ny 600 tapitrisa euros ny tetikasa, miaraka amin’ny fandraisan’anjaran’ny EDF, Axian Group, Africa50 ary fanohanana avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena sy DFC amerikana. Ny fahatarana amin’ny famatsiam-bola sy ny fifanarahana amin’ny mpampiasa herinaratra, ny vidin’ny KWh rehefa vita ny famokarana, ny fandaharam-potoana ara-teknika no isan’ny mbola mampihisatra azy an-taonany maro. Tao Bruxelles, niresaka momba ny mety ho famatsiam-bola avy amin’ny « Fonds vert pour le climat » izy niaraka tamin’ny filoha lefitry ny Komisionina Eoropeana, ary nilaza ihany koa fa ny Banky Iraisam-pirenena dia efa naneho fahavononana hanampy ara-bola. Nifampiresahana ny raharaha onitra tokony haloan’ny Fanjakana Malagasy, izay voalaza fa 6 tapitrisa dolara noho ny fahamaizan'ny Orinasa Belza Polo Garments Madagascar tamin'ny raharaha 2009. Tsy voaloa nandritra ny taona maro anefa izany ka niakatra hatrany amin’ny 13 tapitrisa dolara, niaraka tamin’ny zanabola. Araka ny fanazavana, dia nisy fiantraikany tamin’ny fifandraisan’i Madagasikara sy Belgique izany olana izany, saingy miroso ny fifampiraharahana ao anatin'izao Fitondrana fanavaozana izao.
Toky R