airtel

Toekarena

23-mai-2022

Toekarena

QMM - Tolagnaro Hita ny marimaritra iraisana…

Sample post image

Mampanahy ny fisian’ny ambadika politika amin’ny raharaha QMM izay efa am-bolana ny olana, saingy efa gidragidra vao mody nikorapaka nandefa minisitra maromaro ny Fanjakana.

23-mai-2022

Efa nisy ny olana teo amin’ny Fanjakana sy ny QMM efa hatrany amin’ny tetezamita, vao tonga teo indray ny Filoha Rajoelina dia nilaza hampanao “audit” an’ity orinasa ity ny Fanjakana saingy tsy hita izay tohiny,… Tamin’ny kabary sasany nataon’ny Filoha tany Atsimo, toy ny tamin’ny jona 2021 dia resahiny foana ny hoe: misy orinasa mitrandraka harena an-kibon’ny tany saingy tsy hita izay tena fandrosoana nentiny ho an’ny faritra. Ny fahaiza-mitantanana dia miantso mpampiasa vola handraharaha eto. Saika tamin’ny fitondrana Ravalomanana avokoa no nanomboka ny fandalinana na “étude” sy ny dingana amin’ny fitrandrahana na “phase d’exploitation” an’ireo orinasa goavana mitrandraka harena an-kibon’ny tany dia ny QMM sy Ambatovy. Asa noho izany ve no hisiana endrika fifandraisana tsy dia milamina loatra amin’ny Fitondrana Rajoelina tany aloha na ankehitriny? Asa izay hiafaran’ny fifandaminana fa zava-doza raha toa tsy milamina io. Raha te hiala ny mpampiasa vola dia porofo izany fa tsy mahay mitantana ny mpitondra. Mila fahaiza-manao sy matanjaka any anaty adihevitra sy fifampiresahana na “négociation” ny Fanjakana raha misy zavatra tokony hahitsy, fa tsy filàna kisa mivantana na ankolaka. Afaka hamorona asa mivantana sy ankolaka an’aliny eo noho eo ve ny Fanjakana raha mandao ny QMM izay tsy olana aminy ny mifindra any amin’ny firenen-kafa? Misy orinasa mampiditra hetra betsaka indrindra mihoatra an’Ambatovy sy ny QMM mety efa hananika ny 40% amin’ny hetra miditra amin’ny Fanjakana ve eto?


Raha ny vaovao farany dia efa niravona ny disadisa taorian’ny fifampiresahana ka ny sabotsy lasa teo efa ho tamin’ny 11 ora sy sasany alina no nisy fifanarahana nosoniavina.An-taratasy aloha ny resaka eto, fa andrasana amin’ity alatsinainy ity ny mety ho fivoaran’ny toe-draharaha : niala ve ireo olona nanao sakan-dalana, afaka mivezivezy tsara ve ireo mpiasan’ny QMM.Rahoviana no mety hiodina tsara arakka ny tokony ho izy ny orinasa izay mbola mampihatra ny «service minimum » hatreto aloha.
Toky R
 

 

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

miainga any amin’ny fanisana na «comptabilité» ny fanatsarana ny fampidiran-ketra,

Card image cap