airtel

Toekarena

07-févr-2023

Toekarena

Raharaha Base Toliara “Mampanahy ny hoavin’Atsimo Andrefana”

Sample post image

Mirongatra ankehitriny ny tsy fandriampahalemana any atsimo, hoy ny mpanao politika zanak’iny faritra iny, Durlin Retogniane. Mety maro no antony, hoy izy.

07-févr-2023

Eo ny fahasahiranam-bahoaka. Eo ny fahasimban’ny lalana izay mampananosarotra ny fifindrana amina toerana iray ho amina toerana iray. Lany andro maromaro eny an-dalana dia hararaotin’ireo andian-jiolahy na dahalo. Hitantsika farany teo ny tany Esira. Teo koa ny lalam-pirenena faha 13 na RN 13 izay nahitana fanafihana fiara iray namoizana ain’olona miisa 2 hatreto no fantatra. Mila jeren’ny fitondrana akaiky ny fanamboarana iny RN 13 iny satria hampisinda tsikelikely ny asan-dahalo izany. Eo koa ny fametrahana tobina zandary amin’ireny faritra lavitra andriana ireny. Azo alefa any ireo miaramila mivangongo loatra eto Antananarivo, ohatra, satria aza adino fa ato ho ato isika hiatrika fifidianana ka misy biraom-pifidianana izay tsy maintsy andehanan’ny olompirenena kilaometatra maromaro vao tonga ao aminy. Ahoana no ahafahantsika mampirisika ireo olona ho any raha toa ka manjaka ny tsy fandriampahalemana? Vitsy ny tahan’ny mpifidy mitaha amin’ny toromarik’ireo mpanara-maso iraisampirenena anefa izao. Raha 13 tapitrisa mahery no tanjona dia manodidina ny 9 tapitrisa izy izao. Izany hoe mbola misy 4 tapitrisa. Raha ireo 9 tapitrisa ireo no mbola atosiky ny onjan’ny tsy fandriampahalemana dia vao mainka ampihena ny tahan’ny mpifidy izany. Rehefa ambany nefa ny tahan’ny mpifidy dia lasa tsy manana “crédibilité” na fahamarinan-toerana ny filoham-pirenena ho lany eo. Mikasika ny orinasa Base Toliara kosa amin’ny maha zanaky ny faritra Atsimo andrefana ahy dia be dia be ireo pitsopitsony tokony ho jerena mikasika an’io. Tsy mahafeno ny fepetra fampandehanana io orinasa io hatreto ny tarehimarika voaangona. Raha tsy hilaza fotsiny afa-tsy ny voalaza anaty bokin’andraikitra, ohatra. QMM sy Sheritt samy orinasam-pitrandrahana mitovy amin’io fa tsy nisy nanaja izany bokin’andraikitra izany. Lalampanorenana aza mampananosarotra ny manaja ka maika fa bokin’andraikitra? Mampanahy ny hoavin’Atsimo Andrefana raha tanteraka io Base Toliara io satria tsy manome antoka ho an’ny fandriampahalemana ao an-toerana no sady tsy manome antoka ho an’ny fampananan’asa an’ireo mponina, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

16-avril-2024

Navoitran’ireo Vondron’ny mpandraharaha amin’ny sehatra tsy miankina nandritra ny fihaonana tamin’ny Filoham-pirenena ny

Card image cap
15-avril-2024

Orinasa goavana 12 raha keliny no tratry ny fangejana mivantan’ny sampan-draharahan’ny hetra ny kaontim-bolany

Card image cap