araka ny toromarika hentitry ny Filoham-pirenena. Notaterina tamin’izany, fa tsy maintsy hanolotra fifanaraham-piaraha-miasa vaovao ny fanjakana Malagasy mba hitsinjovana bebe kokoa ny tombotsoan’I Madagasikara sy ny Malagasy, ka mba tena hitondra vokatsoa eto tokoa ny fitrandrahana ny harem-pirenena. Raha tsiahivina, ny 18 febroary 1998 no nanomboka nisitraka hetra sy haban-tseranana manokana ny QMM, araka ny lalàna 98-002 tamin'ny 26 janoary 1998, ka 25 taona ny faharetany ary tapitra amin'ity volana janoary 2023 ity. Noho io fahataperan’ny fe-potoana io, dia iny efa nilaza iny fa hanolotra fifanaraham-piaraha-miasa vaovao ny Fanjakana. Notaterina tao anatin’ny filankevitry ny Minisitra mihitsy fa hisy ny fihaonana eo amin’ny Filoha Rajoelina sy ny Filoha Tale Jeneralin’ny Rio Tinto izay efa tamin’io 11 janoary io no notaterina fa ho avy eto ny 25-27 janoary. Efa niomana fatratra tamin’io hoe : hisian’ny fihaonana sy adihevitra io ny Rio Tinto satria nisy ireo delegasionin’ny QMM niazo an’i Londres nialohan’ny nahatongavan’ny mpitantana avy any amin’ny foibeny teto. Nitsidika teto Madagasikara tokoa, ary niazo ny QMM ny delegasiona nahitana ireo mpitantana ambony eo anivon’ny vondrona Rio Tinto notarihin’Atoa Dominic Barton, Filohan’ny filankevi-pitantanana ny 25-27 janoary. Ny tatitra ofisialy dia hoe : fitsidihana tafiditra ao anatin’ny fampahafantarana ireo toeram-pitrandrahana rehetra ao anatin’ny vondrona Rio Tinto izay tanterahin’Atoa Dominic Barton taorian’ny nandraisana ny toerany ny volana Aprily lasa teo. Fotoana ihany koa ho an’ity delegasiona ity hanatontosana fitsidihana amin’ny fomba ara-panajàna an’ireo manam-pahefana eto anivon’ny firenena sy tao Taolagnaro. Nomarihina fa tsy misy ifandraisany mivantana amin’ny fifampiraharahana mikasika ny lafiny ara-ketra sy faditseranana an’i QMM iarahana amin’ny fanjakana amin’izao fotoana izao. Tsy teto an-toerana ny Filoha Rajoelina fa tany Dakar tamin’ny daty voatondro hifampiresahany amin’ny Lehiben’ny Rio Tinto. Tsy nisy fanazavana intsony avy eo hoe : foana sa efa vita sa nahemotra ilay fihaonana? Tsy arakaraka ny fivoizana hatramin’izay fa hiady mba tena hitondra tombotsoa ho an’ny firenena ny fitrandrahana,… Tsy maika sa tsy laharam-pahamehana indray sa mbola manomana paikady? Mitovy amin’ilay hoe: hampanao “audit” ny Fanjakana ihany, saingy tsy hita izay tohiny. Andrasana indray izany ny fivorian'ny parlemanta amin'ny volana may mety hitondrana ny volavolan-dalàna vaovao hifehy indray ny fiaraha-miasa amin’ny QMM.
Toky R
Tsy vaovao intsony fa efa fiainana andavanandro ny fahatapahan-jiro lava eto Madagasikara. Olana mandavan-taona, ary zavatra maro no potika noho ny delestazy fa isan’ny vokany miharihary ny fahapotehana ara-toekarena
Nanomboka omaly 1 jona 2023 dia lasa 0 Ariary ny saran’ny fifanakalozam-bola eo anivon’ireo banky sy ny MVola na
Hankalaza ny fetin’ny Reny isika afaka rahampitso alahady 04 jona. Ankoatra ny fitondrana am-bavaka azy ireny…dia tsy latsa-danja amin’izany ny fanolorana fanomezana na mofomamy ho an’i Neny
Nomarihina omaly teny amin’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny ny Andron’I Afrika, izay nampifanarahana amin’ny faha-60 taona nananganana