airtel

Toekarena

04-avril-2023

Toekarena

Rejisitra nasionaly tokana Nifandinika ny Governamanta sy ny Banky Iraisam-pirenena

Sample post image

Nivory niaraka tamin’ny Banky Iraisam-pirenena ny mpikambana ao amin’ny Governemanta ka nitarika an'izany ny Praiminisitra Ntsay Christian.

04-avril-2023

 Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo ny fihaonana izay nandinihana manokana ny fametrahana ny rejistra nasionaly tokana eto Madagasikara. Marihina fa paikady ahafahana manome ny laharam-panondroana tokana ho an’ny olom-pirenena tsirairay avy izany, hoy ny tatitra tsara. Tsara moa ny mampahatsiahyy, fa efa tany amin’ny desambra 2020 no nolanian’ny Solombavambahoaka ny Volavolan-dalàna laharana 019/2020, findramam-bola 140 000 000 Dolara entina manatanteraka ny « digitalisation » na ny fampidirana ny olom-pirenena tsirairay anaty « base de données » mikasika ny sata sivily antsoina hoe PRODIGY (Projet du Gouvernement Digital et de Gestion de l’Identité Malagasy). Izany dia ho ampiasaina amin’ny fikirakirana ny kopia, kara-panondro, fisotroan-dronono, fifidianana,…, izay iarahana amin’ny IDA, rafitra iray ao amin'ny Banky iraisam-pirenena. Ny aogositra 2022 kosa no nilazana nandritra ny atrikasa natrehan’ireo tompon’andraikitra misahana ny fitantanana ny lafin-tany, fa kaominina 170 amin’ny faritra 7 no hatao fitaratra na “pilote” amin’ny PRODIGY hanombanana 86 tapitrisa dolara, ary mivelatra manerana ny Nosy avy eo.
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Nahazo ny anjarany tamin’ny milina ODOF ihany koa ny Kaominina Ambohimangakely,

Card image cap