airtel

Toekarena

07-déc-2022

Toekarena

Revolisiona indostrialy « Mila angovo maharitra isika ary tsy lafo »

Sample post image

Nanamarika ny Andron’ny Fampiroboroboana ny Indostria aty Afrika i Madagasikara. Nisy ny hetsika manokana natao tetsy amin’ny Novotel Alarobia nanamarihana izany omaly.

07-déc-2022

Nivoitra nandritra izany fa antoka amin’ny fananganana indostria manerana an’i Madagasikara ny fiaraha-miasan’ny Fanjakana sy ny Sehatra tsy miankina. “Tsy misy ny Indostria raha tsy misy ny angovo. Mila angovo maharitra isika ary tsy lafo. Mila trandrahana ny akora fototra amin'ny harena ankibon'ny tany sy Akoran’afo mba hahaleo tena amin'ny angovo ny Indostria”. Nazava ny tenin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy raha nanokatra ny hetsika nanoloana ny mpanatrika izay nahitana mpikambana ao amin’ny Governemanta, diplomaty ary tompon’andraikitra avy amin’ny Sehatra tsy miankina. Notsindrian’ny Minisitra fa vahaolana amin’ny fizakan-tena ara-tsakafo ny fanodinana ny vokatry ny fambolena. Raha ny siramamy no resahana dia misy tetikasa lehibe roa any Vatomandry sy Morondava hamokatra siramamy 129.000T tsy ampy ankehitriny. Momba ny lafarinina dia nisy fitomboana ny famokarana tato anatin'ny taona vitsivitsy. Nampiomana ny minisitra miasahana ny Fampiroboroboana ny Indostria fa efa ho avy eto Madagasikara ny fitaovana ahafahana manangana orinasa salantsalany miisa 75. Iantsoana sy angatahana fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina avokoa izany. “Tsy ho tanteraka ny revolisiona indostrialy raha tsy miaraka mandresy ny Fanjakana sy ny Sehatra tsy miankina”.
Jean D.
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

miainga any amin’ny fanisana na «comptabilité» ny fanatsarana ny fampidiran-ketra,

Card image cap