airtel

Toekarena

02-mars-2021

Toekarena

Rio Tinto sy ny Fanjakana Malagasy Nanavao ny lalàna ara-ketra momba ny QMM

Sample post image

Nifampidinika ny Fanjakana Malagasy sy ny Rio Tinto ny 16 febroary lasa teo mikasika

02-mars-2021

ny fanavaozana ara-ketra ampiharina amin’ny tetikasa QIT Madagascar Minerals (QMM). Mifadraika amin’ny fifanarahana nankatoavina teo amin’ny antenimieram-pirenena ny taona 1998 izany. Notsindriana fa mifanaraka amin’ny lalàna manan-kery mikasika ny tontolon’ny harena a-kibon’ny tany sy ny fadin-tseranana. Maharitra 25 taona ny fifanarahana, ka ny taona 2023 no mety hisy fandinihana indray. Araka ny voafaritra amin’io fifanarahan io, dia mila iadian-kevitra roa taona mialohan’ny fahataperan’ny fe-potoana ny lafiny ara-ketra sy fadin-tseranana ka izay no anton’io fifampidinihana tamin’ity 2021 io. Ahafahana mametraka sy hampazava ho an’ny andaniny sy ny ankilany ny zava-misy mikasika ny tetikasa QMM sy ny fiaharaha-miombon’antoka eo amin’ny Rio Tinto sy ny Fanjakana Malagasy. Mba hahamarin-toerana ihany koa ny fandraharahana ny anton’ny finavaozana. “Ny fanavaozana ny lalàna ara-ketra dia tafiditra tao anatin’ny fepetra ahahafana manome antoka amin’ny fitohizan’ny QMM ka samy mahazo tombony ireo ny mpiara-miombon’antoka», hoy ny Filoha Tale Jeneralin’ny QMM Rtoa Ny Fanja Rakotomalala.

 

Mampiasa vola 1 miliara dolara eo ao amin’ny QMM ny Rio Tinto, ka maherin’ny 300 tapitrisa dolara haompana amin’ny fotodrafitrasam-bahoaka eny ifotony. Namorona asa mivantana 2000. Isan-taona, manao fampiasam-bola manokana amin’ny lafiny tontolo iainana eny ifotony, manampy amin’ny fanabeazana, ny fahasalamana, ny fampandrosoana ireo orinasa madinika. Ho an’ny fahasalamana manokana, dia nahatratra 500 000 dolara ny fanampiana nentin’ny orinasa niadiana tamin’ny covid-19 teto Madagasikara.

Toky R

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nifanakalo traikefa tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny any Maroc ny ekipan’ny ODOF.

Card image cap
23-avril-2024

Mbola mitohy ny fisoratana anarana amin’ny loka Pierre Castel. Hifarana ny 24 aprily ho avy izao ny andiany amin’ity 2024 ity.

Card image cap