airtel

Toekarena

27-août-2021

Toekarena

Rivellino Ravelomahazo “Mampijotso ny harinkarena ny sisintany mihidy”

Sample post image

Ny lalampanorenana no lalana ambony indrindra eto amin’ny firenena, hoy ny mpahay lalana sady mpandinika raharaham-pirenena, Rivellino Ravelomahazo.

27-août-2021

Ny andininy faha 61 ao amin’ny lalampanorenana dia manome fahefana ny Filohan’ny repoblika hahafahany mandray fanapahankevitra mikasika ny hahamehana, hoy izy. Raisiny eo amin’ny filankevitry ny minisitra izany fanapahana izany. mialoha izay ny fakana ny hevitry ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana sy ny filohan’ny antenimiera 2 tonta. Io fakan-kevitra io koa mbola azo itarina. Mety amina fiarahamonim-pirenena na FFKM na sehatra ara-pahasalamana, izay tena mpahalala, mba hahafahan’ny filoham-pirenena manana fahalalana rehetra ahafahany manapa-kevitra. Ny mety mampalailay ny mpanohitra amin’izao fotoana izao eo anatrehan’izany dia ilay fitiavan’izy ireo te hanao hetsika fanoherana amin’ny endriny rehetra. Manelingelina ny finiavana hisarika vahoaka ny hahamehana satria ilay fahafahana hiteny, hamory olona, haneho hevitra voalazan’ny lalampanorenana ao amin’ny andininy faha 4 sy 6 koa dia voatohitohina. Azo atao tsara anefa, raha ny voalazan’ny lalampanorenana hatrany ny famerana izany fahafahan’ny tsirairay izany rehefa hitan’ny fitondram-panjakana fa ilaina ny mametra azy ho tombontsoa iombonana. Izay ilay hoe “c’est l’exception qui confirme la règle”. Afaka mitory eny anivon’ny HCC koa ny mpanohitra mahakasika izany amin’ny olompirenena manana zom-pirenena azy. Ampiasaina eto ny fampisarahana ny fahefam-pitsarana sy mpanatanteraka ary mpanao lalana. Eo koa ny haino aman-jery na ilay fahafahana miteny. Hitantsika fa voahaja izany ka noho izany, tsy mandika lalampanorenana ny fanaovana hahamehana. Iraisan’izao tontolo izao ny atao hoe arofeni-pahasalamana, izay nanomboka tamin’ny fizarana fanafodin’ny OMS nankaty amin’ny fanekena fanafody nentim-paharazana nasiam-panavaozana ka hatraty amin’ny vakisiny aty. Rehefa feno ny fenitra dia manomboka ny fahafaha-mamory olona sy fisokafan’ny sisintany. Ilain’ny fivoarana ara-ekonomika ny fisokafan’ny sisintany fa tsy hoe tsy maintsy idirana. Mampijotso ny harinkarena ny sisintany mihidy, hoy hatrany izy.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nifanakalo traikefa tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny any Maroc ny ekipan’ny ODOF.

Card image cap
23-avril-2024

Mbola mitohy ny fisoratana anarana amin’ny loka Pierre Castel. Hifarana ny 24 aprily ho avy izao ny andiany amin’ity 2024 ity.

Card image cap
22-avril-2024

Tena mampieritreritra lalina ny tenin'ny mpitandrina tao amina fiangonana iray ny alahady lasa teo.

Card image cap