airtel

Toekarena

05-mars-2021

Toekarena

Roland Ratsiraka Manakiana mafy an-dRavatomanga

Sample post image

Mitohy ny karazana ampamoakan’ny Depiote Roland Ratsikaraka maneho ny

05-mars-2021

 

 

 

fanaovana ampihimamba ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara, ka isan’izany ny tontolon’ny fanondranana lodsia. Navoakany antontan-taratasy maneho, fa tsy maintsy misy fankatoavan’ny Mpandraharaha Atoa Mamy Ravatomanga. Ity antontan-taratasy « contrôle préalable d’exportation de litchis » ity dia tsy maintsy voasonian’i Maminiana Ravatomanga vao afaka mandefa entana any ivelany ny mpanondrana letchi. ny fanaraha-maso eto dia tsy mikasika ny kalitao ny vokatra fa mikasika kosa ny toerana sy ny olona izay ivarotana azy. Ny Filohan’ny Vondron’ny Mpanondrana (GEL) miaraka aminy tanteraka sy voabaiko”, hoy i Roland Ratsiraka. Nambarany fa voatery mivarotra ny vokatra mandeha sambo sy kontenera amina orinasa « offshore » any Nosy Maorisy fa tsy amin’ny mpanjifa mahazatra aintsony. Ny tena ratsy dia ny tsy fahafantaran’ny besinimaro ireo olona mahazo vola ao anatin’ity orinasa offshore ity kanefa ahiahiana ny anaran’izy ireo izay mifampitsinjara ny 2-3 tapitrisa euros isan-taona, hoy io olom-boafidy sady mpanaraharaha amin’ny “litchi” io. Nanitrikitrika i Roland Ratsikaraka, fa atoa Mamy Ravatomanga amin’izany fomba izany dia manampatra fahefana hoe iza no afaka manondrana amin’ny alalan’ny sambo sy kontenera. izy anefa tsy manana andraikitra ofisialy na ao amin’ny ladoany na ao amin’ny ministeran’ny varotra. Amin’ny fomba ahoana ary ny mpanondrana anakiray no afaka mandray toeran’ny « sady mpitsara no mpitory » ary manana fahefana lehibe mihoatra ny ladoany sy ny ministeran’ny varotra ? hoy izy. Nambarany, fa manoloana izany fanararaotam-pahefana izany betsaka ny mpanondrana tsy sahy miteny noho ny tahotra ny ho faiziny na ny horoahin’io olona vao tonga io amin’ny sehatra lodsia.

NANDROSO VAHAOLANA

Vahaolana narosony ny hoe: ny lodsia voalohany mandeha fiaramanidina na “primeurs avion” dia ny fampitsaharana ny fandraràna; tsy tokony hanasonia antontan-taratasy fanondranana lodisa na vokatra hafa io mpandraharaha lehibe io; averina dinihina ny fetran’ny lodisia azon’ny tsirairay aondrana izay tsy miankina amin’inona ankehitriny afa-tsy ny kiantranoantrano, atsahatra ny famerana ny habetsahan’ny lodisa azo alefa ivelan’ny any Eoropa,...

Toky R

Dans la même rubrique

26-mars-2024

Tafapetraka tamim-pomba ofisialy ny faran’ny herinandro teo tany amin'ny distrikan'Ambatoboeny ny milina mpanodina ny voamaina ho lasa lafarina.

Card image cap