amin’ny hetsika “Salon international de l’habitat”, izay sady fankalazana ny tsingerintaona faha 25n’ny hetsika rahateo, hoy ny tomponandraikitra voalohany, Harilala Ramanantsoa. Mihoatran’ny 120 isa no handray anjara ary hanome fihenam-bidy goavana izy ireo mandritr’ity hetsika 4 andro ity. Hampiavaka ny fahitana toerana manokana ho an’ny fikarakarana ny eny an-tokontany na amin’ny lafiny fanaingoana io na fitaovana mety ho ilaina na amin’ny torohevitra maro isan-karazany. Rehefa resaka trano sy fanorenana trano na fampiasana vola ao anatin’izany tontolo izany dia ho hita ety an-toerana avokoa. Hetsika efa azo lazaina ho manana ny toerany eo amin’ny tontolon’ny trano sy ny manodidina azy ity hetsika ity. Sehatra ahafahan’ireo matihanina amin’ny mpanjifa ny fisiany sy fahaiza-manaony io hetsika iraisampirenena io. Sarobidy ary tena mila traikefa amin’ny lafiny maro ny tontolon’ny trano tsinona, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija