airtel

Toekarena

21-juil-2022

Toekarena

Sambo Japonais 10 hanjono 2 taona 1,16 tapitrisa dolara monja no tambiny

Sample post image

Notontosaina omaly zoma 20 jolay 2022 ny tetsy amin’ny Minisiteran’ny jono Ampandrianomby ny fifanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Minisiteran’ny jono sy ny toekarena manga (MPEB) tamin’ny alalan’ny

21-juil-2022

minisitra MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert sy ny Orinasa Japonais JAPAN TUNA mahakasika ny Jono lamatra na « thon » eto amin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara. Sambo miisa 10 no hampiasain’ity orinasa ity ary 02 taona ny faharetan’ny fifanarahana izay hanomboka ny 01 Septambra 2022. Hampiditra vola hatrany amin’ny 1.169.000 dolara monja izany hoe : 4,6 miliara Ar eo amin’ny kitampom-bolam-panjakana izany ary hiteraka tombontsoa maro ihany koa, hoy ny Fanjakana. Nomarihina fa efa nisy fifampiresahana in-telo miantaona teo amin’ny MPEB sy ny Orinasa JAPAN TUNA vao niroso tamin’izao fifanaraham-piaraha-miasa izao. Nanotrona izany ny Masoivohon’ny Firenena Japoney monina sy miasa eto Madagasikara, ny Sekretera Jeneraly eo anivon’ny MPEB, ny firahamonim-pirenena sy ireo Tale isan-tsokajiny eo anivon’ny Ministera, hoy ny fampitam-baovao. Kiana goavana sy mirarakopana no azon’ny manam-pahefana amin’ny vahoaka eo anatrehan’io. Mampametra-panontaniana ny maro ity fifanarahana ity hoe : tena ara-drariny sy mifanaraka amin’ny lanjan’ny harena an-dranomasina Malagasy horaofin’ny sambo mpanjono 10 mandritra ny 2 taona be izao. Ao ny mametra-panontaniana hoe: tena ny mpitondra Malagasy ve no tsy mahay sa misy ambadika sy tia kely ka mahavita mivarotra ankitsirano ny harena an-dranomasina. Hahavita inona izay 1,16 tapitrisa dolara ao anatin’ny roa taona kanefa ny harena tsy hita noanoa horaofin’ny olona fotsin? Tena hoentina amin’ny fandemen-tsaina mahazatra ve hoe: aleo mihinan-kely toy izay mandry fotsy kanefa mbola ny mpitondra ihany koa ny hiliba amin’ny kely azo? 500 000dolara isan-taona ve tsy ho hitan’ny Malagasy raha ny mpanjono Malagasy no tohanana sy hitadiavana lalam-barotra?
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

miainga any amin’ny fanisana na «comptabilité» ny fanatsarana ny fampidiran-ketra,

Card image cap