Nidina indray ambanin’ny 5 000 ariary ny euro nanomboka tamin’ny 23 febroary 2026. Voarakitra tamin’ny taha ofisialy fa 4 993,76 ariary izy io tao amin’ny Tsena iraisan’ny banky amin’ny fifanakalozana vola vahiny (MID) navoakan’ny Banky Foiben’i Madagasikara (BFM) tamin'io fotoana io, raha 4957,37 ariary ho an'ny omaly 25 febroary. Fiovana lehibe izay manamarika ny fiafaran’ny vanim-potoana nahitana tsindry mafy tamin’ny ariary, ka nahatonga ny vola eoropeana hiakatra hatramin’ny tampon’ny na PIC satria 5 309,78 ariary tamin’ny 6 janoary 2026, raha ny fampatmhatsiahivan'ny fampahalalam-baovao iray omaly. Ny fiverenana amin’ny taha latsaky ny 5 000 ariary dia manan-danja tokoa satria tsy mbola niseho tao anatin'ny 10 folo volana teo ho eo. Raha jerena ny tantaran’ny tahan’ny fifanakalozana navoakan’ny Banky Foibe, dia mitovy amin’ny taha voarakitra tamin’ny fiandohan’ny volana aprily 2025 izany. Tamin’ny 3 aprily 2025, dia 4 983,76 ariary no taha voarakitra, alohan’ny niakarany sy nitohizany ambonin’io fefy io mandritra ny ambin’ny taona. Ho an'ny dolaza, dia 4 284,91 ariary, izay midika fihenana lehibe ihany koa raha oharina amin’ny 4 484,22 ariary tamin’ny 27 janoary 2026. Ity fironana midina ity dia nitohy hatramin’ny fiandohan’ny volana febroary, ka very manodidina ny 200Ar ny sandan'ny dolara tao anatin’ny efatra herinandro. Ara-toekarena, endrika iray manaporofo fa miverina niha nahazo aina kely ny ariary manoloana ny euro sy ny dolara. Efa nanambara ihany koa ny BFM fa tokony mbola hitohy amin’ny fotoana fohy ny fironana manome aina ny ariary. Rehefa miakatra ny lanjan'ny Ariary mitaha amin'ny vola vahiny, dia mihena ihany koa ny mason-karenan'ireo entana tsy maintsy hafarantsika amin'ny dolara na euro toy ny solika, PPN,... Na izany aza, miankina amin’ny hetsika ara-toekarena eto an-toerana izany ny mety ho fiovaovana eo amin'ny sandam-bola. Isan'ny iankinan'ny ain'ny Ariary sy ny toekarena ny fifandanjan'ny fanafarana sy ny fanondrananantsika entana, izay ny fanondranana no tokony ho ambony. Mila politika ara-toekarena ho Firenena mpanondrana fa tsy mpanafatra isika. Raha hiverenana, ny fanazavana nataon'ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo ny 4 janoary 2026 dia nilaza fa, «tsy nampiasa « planche à billets » ny Fanjakana nahafahana nanampy ny mpiasam-panjakana, ary fady izany ho an'ny mpahaitoekarena. Nambara fa nisy ny ezaka natao ho an'ny fampidiram-bolan’ny landoany na « recette douanière » izay +5% niakatra mitaha amin'ny 2024, mitentina 200 miliara. Tahaka izany koa ny fampidiran-ketra izay +5,8%, nanome 295 miliara Ar eo. Tokony hanamafy ny politika ara-pamokarana sy fanondranana i Madagasikara.
Toky R