airtel

Toekarena

20-oct-2022

Toekarena

Sandan’ny vola Ariary Nitotongana -6% mitaha amin’ny dolara

Sample post image

Nitotongana -6,0% ankehitriny ny sandan’ny Ariary mitaha amin’ny dolara, raha toa -1,5% izany tamin’ny 2021,

20-oct-2022

 nisy fiakarany 11,7% mitaha amin’ny euro raha toa ka nitotongana -1,0% izany ny taona 2021, araka ny tatitry ny Banky Foiben’i Madagasikara na ny BFM. Tao anatin’ny 9 volana, niakatra 9,4 % ny Ar mitaha amin’ny euro satria nitentina 4 470,1 tamin’ny faran’ny desambra 2021, kanefa 4 048,7 Ar ny faran’ny septembra 2022. Nitotongana -5,6 % mitaha amin’ny dolara satria novidiana 3 956,7 Ar io ny faran’ny desambra 2021, raha toa ka 4 179,6Ar kosa taty amin’ny faran’ny septembra 2022. Omaly nisanda 4 220,94Ar ny dolara iray, raha toa ka 4 133,25Ar kosa ny euro. Isan’ny voalaza fa mampiakatra ny dolara ny politika ara-bola tahiry federaly Amerikanina (FED), ary eo ihany koa ny toe-draharaha misy maneran-tany izay mbola tsy tena hita be ihany ny ho fizotrany. Mitotongana noho ny ady any Ukraine kosa ny « Euro » kanefa mitarazokka ny fanapahan-kevitry ny Banky foibe Eoropeanina (BCE). Hatreto, mibahan-toerana bebe kokoa ny dolara amin’ny fividianantsika entana avy any ivelany, raha tsy hilaza afatsy ny solika, izay midika fa tsy dia misy tombony fiakaran’ny sandan’ny dolara, raha raisina amin’io.
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Nahazo ny anjarany tamin’ny milina ODOF ihany koa ny Kaominina Ambohimangakely,

Card image cap