airtel

Toekarena

03-nov-2023

Sendika nasionalin’ny mpisehatra volamena

Miantso ny mpisehatra rehetra hikaroka ny marimaritra iraisana

Sample post image

Mamelona olona aman’hetsiny ny sehatry ny fitrandrahana volamena eto Madagasikara,

03-nov-2023

manana ny fomba fijeriny ny raharaham-pirenena izy ireo ary manana ny ambarany ihany koa.Mangataka ary ny avy ao amin’ny Sendika nasionalin’ny mpisehatra Volamena Malagasy (SNVM) ny mba hifanatonan’ireo mpisehatra rehetra sy hifampiresahana an-databatra boribory hikarohana ny marimaritra iraisana sy ny vahaolana. Ka tanjona ny hisian’ny fifidianana eken’ny rehetra hisorohana ny krizy sy savorovoro politika mety hitranga. Tsapa tokoa fa mandalo kihon-dalana i Madagasikara koa mahatsapa tena izahay, hoy ny SNVM misolotena ny vahoaka tsy mandady harona aty ambany ravin’ahitra rehetra,izay mitaky tokoa ny hisian’ny filaminana eto amin’ny fireena mba ho tonga ny fifidianana madio sy milamina ary eken’ny rehetra.
RTT
 

Dans la même rubrique