airtel

Toekarena

06-mai-2024

Solika mavesatra ao Tsimiroro

Hiakatra 1 2280 000 litatra isam-bolana

Sample post image

Hiroso amin'ny lalindalina kokoa ka hiditra amin’ny dingana voalohany amin’ny famokarana solika mavesatra na

06-mai-2024

fuel lourd » any Tsimiroro ao anatin’ny distrikan’i Maintirano ny Madagascar Oil. Hiakatra 8000 barila na 1 280 000 litatra isam-bolana (1barila = 160litatra) ny famokarana. Anton’io ny franeken’ny fitsarana any Bermudes izay misy ny foiben-toeran'ny mpiray anto-bola ny tolotra fanarenan-drafitra ara-bola nentiny, ary naneho fahavononana hanohana ara-bola hatramin’ny 250 tapitrisa dolara rahateo koa ny banky anglisy sy amerikana maro hoentina hitrandrahana ny solitany amin’izany dingana voalohany izany. Etsy an-daniny, manohy tsy an-kijanona ny famatsiana ny orinasa tsy miankina mpanjifa eto an-toerana i Madagascar Oil. Tombanana ho 1,7 miliara barila na mety hihoatra an’io aza ny ny tahirin-tsolika mavesatra ao Tsimiroro. Tsara ho marihina fa efa tany amin’ny 1909 no nahavita fikarohana sy nanombana ny tahirin-tsolika mavesatra ao Tsimiroro ny vazaha, tamin'ny taona 2016 no nanao fanandramana mba ahafahana mamatsy solika mavesatra ny Jirama ny Madagascar oil, ary voalaza tamin’izany fa tena mety amin’ireo milina. Tsy nety tody hatramin'ny farany ny tetikasa noho olana maro samihafa. Efa nisy resaka fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Jirama sy ny Madagascar Oil. Nambara avy eo fa tsy mahavokatra ny ilainy satria tsy nisy afatsy 400 barila na 2000m3 isam-bolana ny Madagascar Oil kanefa mila 118 tapitrisa litatra na 721.000 barila isaky ny 6 volana ny Jirama. Tamin’izany no efa nisy filazana fa afaka mampitombo avo 8 heny amin’io vokariny isan’andro io ny Madagascar Oil. Raha misy ireo orinasa efa mampiasa sy manjifa ary misitraka ny vokatr’i Tsimiroro, dia toa tsy mba anisan’izany koa ny Jirama, izay manao antso tolo-bidy iraisam-pirenena. Noho ny politika avo lenta ve ? Azo heverina anefa fa tokony ho ambany kokoa ny vidin’ny « fuel lourd » ao Tsimiroro ary tokony hisy fiantraikany amin’ny saran’ny herinaratra ampiasaina amin’ireo milina miodina amin’izany raha tena sitrahana eto, na efa miroso tsikelikely amin’ny angovo azo havaozina ihany koa aza isika.
Toky R
 

Dans la même rubrique