airtel

Toekarena

27-juin-2022

Toekarena

Solika mavesatra avy any Tsimiroro Orinasa lehibe 4 vonona hampiasa azy

Sample post image

Orinasa lehibe 4 eto amin’ny firenena raha kely indrindra no liana sy resy lahatra, ary vonona hampiasa ny solika ao Tsimiroro vokarin’ny Madagascar Oil.

27-juin-2022

Nambaran’ny fampahalalam-baovao iray ny faran’ny herinandro teo, fa hisy ny andrana amin’ny fampiasana io menaka mavesatra na « fuel lourde» io amina orinasa lehibe iray ao Antsirabe afaka roa herinandro eo. Menaka mavesatra 15 hatramin’ny 20 m³ no hanaovana andrana ao anatin’ny 16 ora eo, ka raha vantany hita fa mahomby io, dia handeha ny fifampiresahana momba ny fifanarahana ara-barotra eo amin’ny roa tonta, raha ny voalazan’ny Tale Jeneralin’ny Madagascar Oil Scott Andrew Reid, hoy hatrany io fampahalalam-baovao io. 120 hatramin’ny 200 m³ isam-bolana eo io, raha raikitra. Hamoaka 2000 m³ isam-bolana eo miaraka amin’ny fanjifana mety hataon’ny orinasa iray mpivarotra angovo amin’ny Jirama. Mikasika ny famatsiana solika mavesatra mivantana amin’ny Jirama kosa, dia ny antoka avy amin’ny Fanjakana no voalaza fa andrasan’ity orinasa ity. Tsy mamokatra afatsy menaka mavesatra mantsy ny Madagascar Oil, izany hoe tsy manana fidiram-bola hafa, ka tsy afaka hamoaka ny entany raha tsy voaloa vola. Etsy andaniny, mbola tsy maharakotra ny filàna 6000 m³ isam-bolana an’ny Jirama ny famokaran’ny Madagascar Oil. Amin’ny lafiny lojistika, mbola sarotra ny hameno ny filan’ny jirama amin’izao fotoana izao. Efa nisy fotoana moa nilazan’ny Tale Jeneralin’ny Jirama Rivo Radanielina fa vonona hiara-hiasa amin’ny Madagascar Oil ny Jirama.
MORA KOKOA NOHO NY MANAFATRA
Nohamafisin’ny Tale Jeneralin’ny Madagascar Oil kosa fa mora kokoa noho ny manafatra avy any ivelany ny fanjifana ny menaka mavesatra vokarin’izy ireo miainga avy any Tsimiroro. Manodidina ny 20 hatramin’ny 30% eo ny elanelana ho an’ny jirama, raha toa ka 8 hatramin’ny 10% kosa ny orinasa hafa. Hatreto, manana tahiry hatrany amin’ny 23 000 m³ azo hamidy avy hatrany ny Madagascar Oil. Mikasika ny famokarana, afaka mampitombo avo valo heny amin’ny 2000 m³ isam-bolana ity orinasa ity, saingy mila fampiasam-bola fanampiny. Mila renivola fanampiny, raha te hanitatra ny fitrandrahana, ary mila mpiara-miombon’antoka. Misy anefa ireo mpampiasa vola misalasala noho ny lafiny fitoniana ara-pandraharahana na “climat des affaires” eto Madagasikara. Eo ihany koa ny fahasarotan’ny fahazoana ny vola amin’ny mpanjifa goavana, fa isan’ny olana lehibe ny fotodrafitrasa ara-pitaterana na an-tanety io na an-dranomasina, raha ny fanamarihana. Na izany na tsy izany, efa zava-dehibe ny fivoahan’ny solika mavesatra ao Tsimiroro, izay irariana hisy akony ara-toekarena ho an’i Madagasikara.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nifanakalo traikefa tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny any Maroc ny ekipan’ny ODOF.

Card image cap
23-avril-2024

Mbola mitohy ny fisoratana anarana amin’ny loka Pierre Castel. Hifarana ny 24 aprily ho avy izao ny andiany amin’ity 2024 ity.

Card image cap