airtel

Toekarena

14-oct-2022

Toekarena

Solika mavesatra Tena efa manomboka mivarotra ny Madagascar oil

Sample post image

Hanomboka hamatsy solika ireo orinasa indostrialy Malagasy ny Orinasa Madagascar oil SA, araka ny lahatsoratra navoakan’ny fampahalalam-baovao ara-toekarena Agence Ecofin ny fiandohan’ity herinandro ity.

14-oct-2022

Misy aza ny vaovao milaza fa efa nivarotra ny voaloham-bokatra tamin’ireo indostria goavana misehatra amin’ny fambolena sy fiompiana, lamba ary simenitra atsy amin’ny faritra Vakinakaratra. Ny volana jolay moa, nisy ny karazana fampitandremana nataon’ny Fanjakana tamin’io orinasa io hanafainganany ny famokarana mba hamadihana ho vola ny tahirina solika mavesatr’I Madagasikara ao Tsimiroro. Ny 7 oktobra teo, nisy fifanarahana maro voasonia momba ny famatsiana solika mavesatra ho an’ny orinasa ato anatiny, izay mahafeno ny fepetra takian’ny Fanjakana sy ny orinasa. Raha vantany vao mihatra, ahafahan’ireo orinasa mampihena ny faktioran’angovo hatrany amin’ny 25% ny fifanarahana amin’ny Madagascar oil. Mahatratra hatrany amin’ny 1,7 miliara barila ny tomban’ny solika mavesatra azo tratrandrahana ao Tsimiroro, izay ahafahana mampihena ny fatiantoka ara-angovo sy hampiakarana ny toekarem-pirenena, hoy ny manam-pahaizana. Mora kokoa noho ny menaka mavesatra hafarana avy any ivelany ny vokatra avy ao Tsimiroro. 400 barila eo isan’andro amin’izao fotoana ny orinasa mpitrandraka azy, afaka miakatra 6 000 barila hatramin’ny 10 000 barila isanandro anefa izany rehefa betsaka ny filan’ny mpanjifa.
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

1400 miliara Ariary eo, ankoatran’izay efa nampidirina anaty kitapom-bolam-panjakana, ny hetra tsy tafiditra,

Card image cap
18-avril-2024

Niresaka tamin’ny sehatra tsy miankina foana ny fitantanana ankapoben’ny hetra na DGI,

Card image cap