solontena maharitry ny banky iraisampirenena teto Madagasikara, tamin'ny fandavan-tena nasehony nandritra izay 4 taona niasany teto izay, hoy ny filoham-pirenena Malagasy, Andry Rajoelina, omaly. Deraiko manokana eto ny fahitsiany sy ny fahasahiany mijoro entina hiarovana sy hikatsahana ny tombontsoan'ny vahoaka Malagasy, indrindra, ireo tena marefo, hoy izy. Tsy ho adinon'i Madagasikara ny soa vitanao. Mino aho fa hitohy sy hihamafy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin'i Madagasikara sy ny banky iraisampirenena, hoy hatrany ny filoham-pirenena.
J. Mirija