airtel

Toekarena

14-sept-2022

Toekarena

Tafidina 88 dolara ny barilan’ny solika Mitsiriritra no mba azon-dRamalagasy atao

Sample post image

Ny fiandohan’ity herinandro ity, dia tafidina 88,08 dolara ny barilan’ny solika teo amin’ny tsena iraisam-pirenena, izany hoe manodidina ny 362 472 Ariary ny vidin’ny barila ana solika 159 litatra,

14-sept-2022

raha ny kajikajikajy nataon’ny mpandinika. Raha raisina amin’io, manodidina 2280 Ar eo izany ny mason-karenan’ny iray litatra any am-potony? Efa tamin’ny farany volana aogositra moa no efa tafidina ambanin’ny 100 dolara ny vidiny, raha toa ka nanafosafo tany amin’ny 120-130 dolara tany amin’ny fiandohan’ny volana jona. Nisy fidinanany hatrany amin’ny 30% izany io. Any Eoropa, raha 2,06euros ny vidiny tamin’ny fiandohan’ny volana jona, saingy efa 1,71 hatramin’ny 1,92euros izany ankehitriny. Raha hiverenana, noho ny vidiny niakatra be tamin’izany no nampiakarana ny vidiny teto. Mitsiriritra no azon’ny Malagasy atao, rehefa miakatra io mailaka ery ny Fanjakana sy ny kaompania milaza fa noho ny krizy iraisam-pirenena no tsy maintsy nahatonga an’i Madagasikara niroso tamin’ny fampiakarana ny vidiny, izay nidangana be nanomboka ny 11 jolay lasa teo noho ny fitarainan’ireo mpandraharahan’ny solika ho maty antoka. Hatrany amin’ny 1500Ar sy 1800Ar ny fiakarana isaky ny litatra, izay tsy mbola nisy hatramin’ny naha tany ny tany. Na hidina 20 dolara ohatran’ny tamin’ny coronavirus aza io, dia tahaka ny manantena afo amin’ny maty, raha ity Fanjakana ity no hiady ny hidinany, ary ny mampihomehy sady mampalahelo aza dia ny mbola nahasahian’ny Filoha niresaka tamin’ny izy nitondra no nisy fidinana tsy mbola nisy nanao dia ilay 100Ar sy 150Ar tamin’ny jona 2019. Tsy mba nisy fampanantenana hidinany, fa ny tsy hihetsehan’ny vidiny hatramin’ny faran’ity taona ity no nolazaina, dia tahaka ny miasa be. Tsiahivina hatrany ny fanazavana nentin’ny mpitondra tamin’ny alalan’ny Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Raharinirina Baomiavotse Vahinala ny 13 jolay, fa "tafakatra 550 miliara ariary ny trosan'ny Malagasy amin’ny Vondrona mpamatsy solika nanomboka ny janoary 2022 hatramin’ny fiandohan’ny volana jolay. Mampibaby trosa goavana antsika sy ny toekarentsika ny tsy fampiakarana. Tombanana ho 1200 miliara ariary ny trosa amin’ny faran’ny taona raha tsy nampiakatra isika", hoy izy tamin’izany. Io tetibola 1200 miliara ariary io no tetibolan’ny ministera 30 anatin’ny herintaona, na lay antsoina hoe PIP (Programme d’investissement Public). "Na mandoa trosa amin’ny mpamatsy solika Isika, na manao fampandrosoana. Mazava ny safidy", hoy ny Fanjakana. Fampandrosoana inona no mandeha amin’izao?
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nifanakalo traikefa tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny any Maroc ny ekipan’ny ODOF.

Card image cap
23-avril-2024

Mbola mitohy ny fisoratana anarana amin’ny loka Pierre Castel. Hifarana ny 24 aprily ho avy izao ny andiany amin’ity 2024 ity.

Card image cap