airtel

Toekarena

10-nov-2021

Toekarena

Tahiana Razanamahefa “Feno 100% izao ny trano fandraisam-bahiny”

Sample post image

Ela ihany izay niandrasana ny fisokafan’ny sisintany izay, hoy ny mpandraharaha misehatra eo amin’ny fizahantany sy fampiantranoana ary fisakafoana, Tahiana Razanamahefa.

10-nov-2021

 Nisy iny, hoy izy, ny fanapahan-kevitra noraisin’ny fanjakana hoe ho sokafana miandalana ny sisintany sy habakabak’i Madagasikara. Nanomboka ny 23 oktobra moa no nisokatra ny aty amin’ny faritry ny ranomasimbe indianina. Nanomboka ny 6 novambra teo koa no nisokatra ny faritr’i Eoropa. Ho anay manokana dia nisy ny fiomanana volana maro hiatrehana anatin’ny fitoniana izany fisokafan’ny sisintany sy habakabak’i Madagasikara izany. Nisy ny fiofanana mikasika ny arofenitry ny fahasalamana nataon’ny mpiasa rehetra ato aminay. Mila manao arotava daholo ny mpiasa sy izay miditra ato rehetra. Tsy maintsy mihiboka 48 ora ireo mpandeha vao tonga. Tondrahana fanafody ny efitrano, ny toeram-piasana, ny entan’ireo mpandeha sy ny maro hafa. Tsy maintsy mihiboka ny mpandeha vao tonga mandra-pivaly ny fitiliana PCR nataony vao tonga teo amin’ny seranana. Hatrany amin’ny 70% ny fahavoazana nandritry ny fihibohana teo raha resaka trano fandraisam-bahiny. Ankehitriny nony nisokatra ny sisintany ka misy izay manao fihibohana 48 ora izay dia feno 100% izahay aty amin’ny sehatry ny fandraisam-bahiny izao. Miisa 50 eo izao no efitrano ato fa feno daholo. Tsy maharaka aza satria betsaka ny famandrihana ho an’ireo mpandeha avy any ivelany tsy maintsy manatanteraka fihibohana. Betsaka koa ireo mpampiasa vola avy any ivelany tonga eto. Tsy maintsy mametra izahay fa misy moa ny mivoaka dia misy ny tonga. Hita ho manohana ho azy ilay sehatra ihany ny fampihibohana. Zava-dehibe ny vakisiny ary izahay rehetra ato dia vita daholo. Nizotra araka ny tokony ho izy ny andro voalohany, izany hoe, ny 6 novambra teo sy ny hatreto, hoy hatrany ny tenany, mantsy ny omaly. Tonga alahady maraina ny Air France dia teo koa ny Air Madagasikara, Madagascar Airlines, hoy izy. Ankoatran’izay dia mandray foana ny Air Mauritius sy Air Austral izay fa azo lazaina ho nizotra am-pilaminana daholo hatreto. Mailo hatrany anefa izahay, hoy hatrany izy.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

miainga any amin’ny fanisana na «comptabilité» ny fanatsarana ny fampidiran-ketra,

Card image cap