airtel

Toekarena

20-sept-2022

Toekarena

Tahirim-bola Iraisam-pirenena Tsy mahatoky saka fa trondro ny laoka ?

Sample post image

Noraisin’ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Ramatoa Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison sy ireo mpiara-miasa aminy tao amin’ny biraony tao Antaninarenina omaly 19 septambra 2022 ny solotena avy amin’ny

20-sept-2022

Tahirimbola Iraisam-pirenena (FMI). Nivory nanomboka omaly ireo teknisianina avy amin’ny roa tonta hanomanana ny fitsirihana fahatelo mahakasika ny FEC (Facilité Elargie de crédit) sy ny rafitra ara-toekarena handrafetana ny tetibolam-panjakana 2023, hoy ny Minisiteran’ny toekarena sy ny vola. Nomarihina fa narafitra araka ny andininy faha-4 momba ny satan’ny Tahirimbola Iraisam-pirenena izay mijery ny zava-misy eny amin’ireo firenena vatsiany vola ankoatra ny programa FEC izany. Isan-taona izy io no atao ho an’ireo firenena tsy manana programam-piaraha-miasa amin’ny FMI ary 2 taona kosa ho an’ireo manana izany. Mifanindran-dalana amin’ny fitsirihana faha-3 arak’izany ny an’i Madagasikara ka izao iarahana dihinihina izao. Nasongadina tao anatin’io fa anisan’ny hodinihina ny tontolo iainana, fitovian-jo eo amin’ny lahy sy ny vavy, fanjarian-tsakafo, fiahiana ara-tsosialy, ary ny harin-karena izay nambara fa hita ao anatin’ny PEM (Plan Emergence Madagascar). Nisy ihany koa ny fihaonana tamin’ny Praiminisitra izay mbola natrehin’ny Minisitry ny vola, ary mbola hisy ny fihaonana amin’ireo teknisianina eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika, ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo, ny JIRAMA, ny OMH (Ofisim-pirenena momba ny akotran’afo), ny Banky Foiben’i Madagasikara, ny Minisiteran’ny Mponina, ny Minisiteran’ny Fahasalamana, ny Minisiteran’ny Rano, ny Minisiteran’ny Fitsarana, ny BIANCO, ny SAMIFN (Sampana miady amin’ny famotsiam-bola,…), ny PAC (Pôle Anti-Corrumption, ny ARAI (Agance de Recouvrement des Avoirs Illicites), ary ny Cour des Comptes na ny Fitsarana momba ny kaonty. Vao miresaka an’ireo rafitra ireo, dia resaka fitakiana fampiharana vidiny tena izy (vérité de prix), fangaraharahana, fanjakana tsara tantana, ady amin’ny kolikoly… no ao ambadik’izany. Ny Fanjakana ankehitriny izay malaza ratsy amintsy tsy fisian’ny Fanjakana tsara tantana, ka tsy maintsy maka antoka ny FMI mialohan’ny famoaham-bola satria efa nandray lesona tamin’ny zava-misy. Tsara rahateo ny manamarika, fa somary nihena ny FEC nahazo fankatoavana farany teo, izay 31,9 tapitrisa dolara, raha manodidina ny 40-60 ny fandre matetika.
Toky R
 

Dans la même rubrique

16-avril-2024

Navoitran’ireo Vondron’ny mpandraharaha amin’ny sehatra tsy miankina nandritra ny fihaonana tamin’ny Filoham-pirenena ny

Card image cap
15-avril-2024

Orinasa goavana 12 raha keliny no tratry ny fangejana mivantan’ny sampan-draharahan’ny hetra ny kaontim-bolany

Card image cap