airtel

Toekarena

09-sept-2021

Toekarena

Tahirimbolam-panjakana Andry Nirina Rajaofetra no Tale Jeneraly vaovao

Sample post image

Telo herinandro taorian’ny nanesorana ny Tale jeneralin’ny tahirimbolam-panjakana teo aloha Atoa Ihaja Ranjalahy nandritra ny filankevitry ny minisitra ny 18 aogositra, voatendry omaly ny solony.

09-sept-2021

 Atoa Andry Nirina Rajaofetra izay Talen’ny Tranopritim-pirenena nanomboka ny taona 2019 no voatendry ho eo amin’io toerana stratejika hisahana ny fitantanana ny volam-panjakana io. Voatendry ho Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny toekarena sy ny vola ihany koa Atoa Ramanampanoharana Andry Velomiadana Bearison, ary Talen’ny Serasera kosa Rtoa Johasy Randrianarisoa Hasitiana. Mikasika ny Tale Jeneralin’ny tahirimbolam-panjakana Andry Nirina Rajaofetra, “Inspecteur du trésor” ny tenany ka isan’ny iraka lehibe hiantsorohany izany ny fanadiovana ity departemanta ity amin’ny lafiny fitantanana satria vao tonga teo ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola Rtoa Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison dia naneho ahiahina kolikoly sy fitantanana amin’ny fomba tsy mangarahara ny volam-panjakana. Notapahana nandritra ny fanesorana ny Tale Jeneraly teo aloha raha tsiahivina ny famoahana volam-panjakana ankoatra ny karama. Niteraka tsy fahafaliana tao anatin’ny Minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola raha tsiahivina ny kiana mivaivay nataon’ny Minisitra momba ny kolikoly sy fitantanana, ka nivoaka ihany koa ny dosie misy hidirany mivantana na an-kolaka satria efa Sekretera Jeneralin’io minisitera io izy teo aloha. Isan’izany ny fivoahan’ny resaka fa na efa voaantso hiasa tany amin’ny CNaPS aza ny vadin’io minisitra io, dia mbola nisitraka karama am-polony tapitrisa maro tao amin’ny tahirimbolam-panjakana, misy mpiasa voalaza fa efa nafindra hiasa any amin’ny Banky iraisam-pirenena any Etazonia, saingy mbola nisitraka karama tao amin’ny tahirimbolam-panjakana,… Momba ny fitantanana volam-panjakana hatrany, isan’ny adihevitra teto tany ho any amin’ny fiandohan’ny 2020 ny nanombohan’ny fahazoana famatsiam-bolan’ny covid-19 no nanesorana tombon’andraikitra ambony momba ny fitsirihana ny volam-panjakana. Miandry rivo-baovao hoentin’ny tompon’andraikitra vaovao .
Legende : Andry Nirina Rajaofetra, tale jeneraly vaovao hitantana ny Tahirimbolam-panjakana
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

1400 miliara Ariary eo, ankoatran’izay efa nampidirina anaty kitapom-bolam-panjakana, ny hetra tsy tafiditra,

Card image cap
18-avril-2024

Niresaka tamin’ny sehatra tsy miankina foana ny fitantanana ankapoben’ny hetra na DGI,

Card image cap