airtel

Toekarena

27-août-2021

Toekarena

Tahirimbolam-panjakana Nirefotra ihany koa ny ampamoaka

Sample post image

Feno kolikoly ny tahirimbolam-panjakana na ny « Trésor » araka ny nambaran’ny Minisitry toekarena sy ny fitantanam-bola vaovao Rtoa Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison.

27-août-2021

 Manomboka tonga ny valin-kafatra ary maro amin’ny mpikatroka ao anatin’ny tahirimbolam-panjakana sy ny eo anivon’ny Minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola no tezitra sy mahatsiaro ho voahoso-potaka. Mahagaga ny «accusation», ary ny andrim-panjakana rehetra miantsoroka ny volam-panjakana mihitsy no alainao baraka, na ny Transparency International aza mbola tsy nilaza izany fanosoram-potaka tanteraka ny « trésor » izany, hoy ny fanamarihana. Asa ny sendika eo anivon’ny Trésor raha hanaiky izany satria mba hita ihany ny ezaka nataonareo, hoy ny fampieritreretana. Toa midika ny tenin’ny Minisitra fa tsy nahomby ireo Directeur de brigade, Directeur des Etudes, Directeur de la comptabilte publique,... kanefa izy mivantana no voalaza fa nametraka izany tamin’ny taona 2020 fony mbola Sekeretera jeneraly, hoy ny fanamarihana. Lazaina fa feno kolikoly sady mpangalatra ny “Trésor” kanefa ny vadin’ity Minisitra ity aza mpiasan’ny “brigade d'inspection” an’ny Trésor. Maninona raha mba nasaina nojereny izany, sa miaraka homana ao koa ihany izy? hoy ny valin-kafatra.

OLONA EFA TSY MIASA AO AMAIN’NY “TRÉSOR” MBOLA MANDRAY KARAMA IHANY?
Asa izay ho valin-kafatra na fandisoana avy amin’ny minisitra fa nipoitra ny ampamoaka maro. “Mandreraka ity fanasoketana ataonao ity fa raha sahy ianao dia : tapaho ny karaman’ny vadinao, izay mandray karama be any amin’ny CNAPS, no mbola mandray tombotsoa be ao amin'ny “Trésor” satria 65 tapitrisa mahery no noraisiny ao amin ny Trésor, volana jona 2021 ohatra. Nantsoin’ny Cnaps hiasa any aminy, tsy naka “disponibilité” akory amin’ny maha mpiasam-panjakana azy. Fantatrao izany, mitohy mandray karama ihany izy ao amin’ny “Trésor-Finance. Tapaho ny karaman'ilay namanao RHO IM 293….., nalefanao hiasa any amin’ny Banky Iraisam-pirenena any Etats-Unis, izay mandray tsy latsakv ny 300 000 000fmg any ho any isam-bolana, nefa tsy notapahinao ny karamany sy ny tombotsoa isam-bolana eto Madagasikara hatramin'izao. Fantatrao tsara izy satria Directeur sy Coordonateur tao aminao io olona io, Inona no kopaka isasahana ? Tsy vitan'izany fa ny vadiny koa AHH, IM 287….. dia nomena fahafahana hanaraka azy any, tsy niera tamin'ny Trésor akory, satria mpiasan'ny Trésor ihany koa ny vadin 'io Coordonateur-nao io, fa avy dia didiko fehv lehibe, ary dia mody nosoniavinao hoe “manao formation” izy any. Inona no dikan'izany, satria mitohy mandray karama foana io olona io ( noraisiny ny volana jona 75 000 000fmg mahery?)”, hoy ny karazana valin-kafatra sady ampamoaka. Misy anarana itovizana amin’ny Minisitra ankehitriny moa io AHH io ka asa na misy rohim-pihavanana na fifandrifian-javatra ? “Tsy mpanao kolikoly ianao ka maninona no alefanao ao amin'ny “Trésor” daholo ny akamakamanao sy ny fianakaviana. Fantantray ny famindran-toerana ataonao sy ny fampidirana mpiasa nandritra ny naha Sekretera Jeneraly anao”, hoy hatrany ny valin-kafatra sy ampamoaka, narahina karazana porofo. Milaza tokoa ny minisitra ankehitriny fa betsaka ny kolikoly ka nahoana no tsy efa fony izy Sekretera Jeneraly no nofoanana izany sa tsy nahafahany nanao izany ny fahefana nananany teo aloha?
Toky R
Sary fanehoana
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nifanakalo traikefa tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny any Maroc ny ekipan’ny ODOF.

Card image cap
23-avril-2024

Mbola mitohy ny fisoratana anarana amin’ny loka Pierre Castel. Hifarana ny 24 aprily ho avy izao ny andiany amin’ity 2024 ity.

Card image cap