Isan'izany ny milina fanodinana akora ho lasa menaka toy ny sozaha sy ny voanjo. Mahavita manodina akora ahazahoana menaka milanja 1200 kg isan'ora io milina io izay apetraka ao amin'ny distrikan' Ampanihy. Distrika mamokatra 500 000 taonina isan-taona ny milina. Ny ozinina faharoa kosa dia mamokatra Chips. Akora ampiasaina aminy ny ovy sy oviala, ny vomanga igname ary akondro. Mahavita manodina akora fototra avadika ho chips 100 kilao ity milina faharoa ity ary hapetraka ao Toliary voalohany. Mamokatra akondro milanja 200 000 taonina isan-taona koa mantsy i oliary. Ny milina fahatelo kosa dia afaka manodina kobam-bary ho lasa lafarinina sy paty. Afaka manodina kombam-bary 400 kilao isan'ora indray kosa ity milina ity. Ny ozinina kely faha-efatra kosa dia manodina voamanaina , toy ny kabaro sy tsaramaso maina ho lasa lafarinina ihany koa. Afaka manodina voamaina milanja 1500 kilao isan'ora izy io ary hapetraka ao amin'ny distrikan'i Morombe,… Tanjona ny fahafahana mitahiry ireo vokatra ireo mba tsy ho simba.
Nangonin’I Toky R
Tongotra mby an-dakana ny an’ny “Groupement des femmes entrepreneurs de Madagascar”